Tena Mila vonjy ireo Tantsaha ao amin’ny distrika Anjozorobe sy Ankazobe.

354 0
 
Tena Mila vonjy ireo Tantsaha ao amin’ny distrika Anjozorobe sy Ankazobe.
 
Mahakasika ilay FANAFIHAN-DAHALO tao Tranokambana, Kaominina Fihaonana Distrika Ankazobe omaly alina.
Niditra ny tanàna ny dahalo teo amin’ny 8 Ora alina teo ary nanampina ny kiondalana rehetra izy ireo sady nanapoaka basy tsy akiato. Niezaka niditra tao an-tokatranon’i madame Monique kosa ireto sasany. Sarotra nidirana anefa tao satria saika feno « grillage » ny lavarangana sy ambanin’ny lavarangana rehetra. Ora iray taty aoriana vao tafiditra tao andavarangana ny sasany tamin’ireo dahalo. Tsy nahavita namoha ny varavarakely indray izy ireo ka avy hatrany dia nanapa-kevitra nandoro ny trano ary niandry ireo olona tao hivoka mba hakany izay olona mivoaka ho hataony takalon’aina . Tsy nivoaka anefa ireo olona tao an-trano ka lasa nitsoaka ireo dahalo teo amin’ny 9 Ora sy 40 minitra alina teo ho eo.
 
Nandritra izany dia sepotra tao anaty trano noho ny firehetan’ny trano i madame Monique izay tompotrano vadin’i Mr Jean Christophe ka nindaosin’ny fahafatesana ny Alin’iny ihany, avotra soamantsara kosa ny olona hafa.
Ireo fokonolona manodidina moa saika hifanampy hifanavotra ihany fa tifitra tsy akiato no havalin’ireo jiolahy izay mivoaka ny trano.
 
Mampalahelo io trangan-javatra ao Ankazobe sy Anjozorobe io mahakasika ny resaka kidnapping ka mila jerena akaiky mihitsy. Mila manao fanadihadiana lalina, arahana fidinana ifotony ho fanafoanana an’io. Feno Kalachnikov sy mas 36 ao, tsy ho resin’ny fokonolona intsony fa mila anareo manana basy hanafoanana an’io.
Jereo akaiky ilay tantsaha fa tena mijaly, ampio ny éléments ao Ankazobe ao fa dahalo aman-jatony no manana kalack. Nisy fotoana aza moa dia niverim-potsiny ireto Zandary fa 8 isa fotsiny izy ireo no nifanehitra tamin’ny dahalo marobe milanja kalachnikov sy mas36.
 
Nampitan’i Rajerison Antoine 

Related Post

𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐒𝐘 𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐓𝐄𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐓𝐄𝐓𝐎 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀

Posted by - mars 29, 2024 0
𝗢𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗲𝗻𝗶𝗻𝗮(06) 𝗻𝗼 𝘃𝗼𝗮𝘀𝗮𝗺𝗯𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘇𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝗶𝗺𝗮𝗿𝗶𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮, 𝘃𝗼𝗮𝗿𝗼𝗵𝗶𝗿𝗼𝗵𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗳𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝘁𝗮𝗺-𝗯𝗮𝘀𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗧𝗼𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮 𝗧𝘀𝗶𝗮𝗻𝗮𝗹𝗼𝗸𝗲 𝗸𝗮 𝗻𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝘁𝗲𝘀𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆.   𝗧𝗮𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻’𝗻𝘆…