ANKILIZATO | TAFAVERINA TAMIN’NY RENINY IHANY ILAY ZAZA VARIRA

521 0

TAFAVERINA TAMIN’NY RENINY IHANY ILAY ZAZA VARIRA NOHO NY EZAKY NY MPITANDROFILAMINANA SY NY KALONY TAO ANKILIZATO

Efa ho roa vola lasa izay no nisy naka ankeriny Ilay Zaza varira tao Maroalika fokontany Morarano kaominina Ankilizato ny 25 Septambra 2023 lasa teo. Tsy najanona anefa ny fikarohana nataon’ny Tobi-paritra zandarimaria Ankilizato fa niezaka nanao ny fomba rehetra mba hahitana io Zaza Io.

Araky ny fanao dia nandeha ny kalony faobe ANDIANY FAHA-13 izay misy vatan-dehilahy miisa 160 misy basy 30 miaraka amin’ny mpitandro filaminana zandary avy amin’ny Tobi-paritra Ankilizato sy Tafika avy ao amin’ny BOA. Rehefa naheno fa mihaodihaody ao ireo mpanao ratsy dia nomena baiko hentitra ireo kalony sy ireo mpitandrofilaminana izay niaraka amin’izy ireo hanao savahao ireo toerana mety hisitrihan’ireo mpanao ratsy .

Telo andro nanao izany ireo kalony sy ireo mpitandro filaminana tany an-toerana ka tampi-dalan- kaleha ireo nahavanin-doza ka tsy nahita toerana itondrana io Zaza varira io intsony dia najanony tao Morarano Io Zaza Io androany faha- 13 Novambra 2023 tamin’ny maraina tokony tamin’ny 06 Ora maraina.

Marihina moa fa tsy nisy vola naloa na fananana nomena fa noho ny ezaka madiodio ny mpitandrofilaminana iarahana amin’ny kalony sy ireo olona tsara sitrapo mpanome vaovao no nahazahoana izao voakatra tsara izao. Efa ao amin’ny Tobi-paritra Ankilizato Io Zaza Io ary miara_mipetraka amin’ny rainy sy reniny izay efa noraisina an-tΓ nan’ny zandary Ankilizato nandritra ny volana maromaro izay ka hoentina any amin’ny mpitsabo mba hatao fitsirihana.

Marihina fa efa eny amin’ny fitsarana moa ny raharaha mahakasika ity halatra Zaza varira ity teo aloha ary efa misy olona roa voatazona vonjimaika ihany koa mahakasika Io fankana ankeriny Zaza varira io tamin’izany fotoana izany. Mbola karohina kosa ireo nahavandoza sy mpiray tsikombakomba.

Nangonin’i RaPΓ  Menabe

Related Post

πŒπšπžπ―πšπ­πšπ§πšΜ€π§πš: 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐟𝐒𝐯𝐨𝐚𝐫𝐒𝐚𝐧𝐚 π¦π›πš 𝐚𝐑𝐚𝐳𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐀𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐒-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π₯𝐚𝐟𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐑𝐚π₯𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 π¦πšπ¦π›π«πš 𝐧𝐲 πŽπŒπ‚ 𝐑𝐄𝐆 ππžπ­π¬π’π›π¨π€πš.

Posted by - mars 19, 2026 0
πŒπšπžπ―πšπ­πšπ§πšΜ€π§πš: 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐟𝐒𝐯𝐨𝐚𝐫𝐒𝐚𝐧𝐚 π¦π›πš 𝐚𝐑𝐚𝐳𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐀𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐒-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π₯𝐚𝐟𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐑𝐚π₯𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 π¦πšπ¦π›π«πš 𝐧𝐲 πŽπŒπ‚ 𝐑𝐄𝐆 ππžπ­π¬π’π›π¨π€πš. Tao amin’ny…

πŒππ€ππ€πŽ π†π€π™π„π“π˜ π€πŽ π“π’πˆπ‡πŽπŒππ„ ππˆπ‡π€π‘π€πβ€™ππ˜ π‡π„π‘πˆπ’π„π“π‘π€ ππ€π“π€πŽπβ€™ππ˜ π’πŽπ‹πŽπŒππ€π•π€πŒππ€π‡πŽπ€πŠπ€

Posted by - dΓ©cembre 9, 2025 0
Zava-nitranga manafintohina sy mampalahelo no niseho indray tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. π‘π€π˜πŒπŽππƒ π‰πžπšπ§ 𝐍𝐚𝐫𝐜𝐒𝐬𝐬𝐞, 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐠𝐚𝐳𝐞𝐭𝐲 𝐚𝐨 πšπ¦π’π§β€™π§π² π‘ππŒ…