Hahazo CSB II ny FKT Soamahamanina

456 0
Nanatanteraka fivoriana manokana tao amin’ny FKT Soamahamanina,Tsiroamandidy androany alahady 12 Novambra 2023.
 
Fivoriana manokana izay miompana indrindra tamin’ny fanentanana fahasalamana sy fahadiovana, fa tsy natao ambanin-javatra ihany koa ny fanentanana ny olona hikajy sy hitandro tahaka ny anakandriamaso ny fanana iombonana ary fampahafantana ny Mponina amin’ny FKT ny lefitra vaovao dia Andriamatoa Mamisoa RAKOTOVAZAHA.
 
Fantatra ihany koa fa ato anatin’ity FKT Soamahamanina ity no hanatanterahana sy hananganana an’ilay CSB II vaovao, izay fiaraha-miasa ny fiadidian’ny Tanana Tsiroanomandidy izay tarihin’Andriamatoa Ben’ny tanana Jaona Mananjara RAZAFINDREDOHY sy ny Fondation AXIAN
 
Ho arahin-tsika miandalana eto ihany ny tohiny.
 
© : CENI Commune Urbaine Tsiroanomandidy

Related Post

Fikambanana AFF Boriboritany faha 2 | Nifampiarahaba nahatratra ny taona

Posted by - janvier 28, 2024 0
𝐍𝐈𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐁𝐀 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀, 𝐍𝐈𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐑𝐀𝐑𝐘 𝐒𝐎𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐒𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐎𝐑𝐈𝐁𝐎𝐑𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐑𝐎𝐀 Ny sabotsy…