๐€๐ง๐ค๐š๐ณ๐จ๐ง๐๐š๐ง๐๐ฒ : ๐ง๐ข๐Ÿ๐š๐ซ๐š๐ง๐š ๐ญ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐Ÿ๐จ๐ง๐š๐ง๐š ๐š๐ฆ๐ฉ๐š๐ก๐ข๐›๐ž๐ฆ๐š๐ฌ๐จ ๐ง๐ฒ ๐ซ๐š๐ก๐š๐ซ๐š๐ก๐š ๐Ÿ๐š๐ง๐๐ซ๐š๐ก๐จ๐ง๐š๐ง๐š ๐ฆ๐ฉ๐š๐ง๐š๐จ ๐ ๐š๐ณ๐ž๐ญ๐ฒ

94 0
Nifarana taminโ€™ny fifampiresahana sy fifandaminana ny raharaha nahakasika mpanao gazety iray voalaza fa niharanโ€™ny fandrahonana nandritra ny fakร na vaovao tao aminโ€™ny Fokontany Andalatsara, Kaominina Ankazondandy, Distrikanโ€™i Manjakandriana. Raha tsiahivina, niseho ny 7 Jona 2026 ny disadisa nandritra ny fametrahana Filoham-pokontany tao an-toerana, ka nidina nanangona vaovao teny ifotony ilay mpanao gazety, mpikambana ao aminโ€™ny APPEL sady mpanao gazety ara-dalร na eo anivonโ€™ny OJM.
Araka ny fanazavana voaray, nandritra ny fanatanterahany ny asany no voalaza fa nisy tovolahy iray nandrahona sy naniratsira azy, ary nikasa hampiasa herisetra taminy sy taminโ€™ireo ekipa niaraka taminy. Noho izany, nitondra fitarainana teo anivonโ€™ny CT-OJM sy ny fikambanana APPEL ilay mpanao gazety, mba hiarovana ny zonโ€™ny mpanao gazety sy ny fahalalahanโ€™ny asa fanaovan-gazety.
Taorianโ€™ny fifandraisana nataonโ€™ny CT-OJM sy ny APPEL taminโ€™ireo tomponandraikitra any an-toerana, tonga teny aminโ€™ny Birao Foibenโ€™ny OJM, Ambohidahy, ilay tovolahy voatonona aminโ€™ny raharaha, fantatra aminโ€™ny anarana hoe Rajo, nitondra fialan-tsiny sy fifonana ampahibemaso. Nanatrika izany ny CT-OJM, Ramatoa Felicia Davisonne, Nyh Gabriel Andriamitantsoa, Sekretera Jeneralinโ€™ny APPEL, ary mpikambana vitsivitsy ao aminโ€™ny APPEL, niaraka taminโ€™ny solontenanโ€™ny Kaominina Ankazondandy sy ilay mpanao gazety tomponโ€™antoka taminโ€™ny fitarainana.
Ity raharaha ity dia mampahatsiahy fa tsy fahavalo ny mpanao gazety, fa mpanangom-baovao sy mpampita ny zava-misy eny anivonโ€™ny fiaraha-monina. Tokony hajaina ny asany, indrindra rehefa eo am-panatanterahana iraka ara-baovao izy. Etsy ankilany, ilaina hatrany ny fifampiresahana sy ny fitoniana rehefa misy disadisa, satria ny fanajana ny fahalalahanโ€™ny asa fanaovan-gazety sy ny fitandroana ny filaminana dia samy zava-dehibe ho anโ€™ny demokrasia sy ny vahoaka.
Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

๐Œ๐€๐Œ๐๐Ž๐‘๐ˆ๐’๐ˆ๐Š๐€ ๐๐˜ ๐•๐„๐‡๐ˆ๐•๐€๐•๐˜ ๐‡๐€๐๐ƒ๐‘๐€๐˜ ๐€๐๐ƒ๐‘๐€๐ˆ๐Š๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐€๐Œ๐ˆ๐’๐๐˜ ๐‘๐€๐‡๐€๐‘๐€๐‡๐€๐Œ-๐๐ˆ๐‘๐„๐๐„๐๐€ ๐’๐˜ ๐๐˜ ๐๐Ž๐‹๐ˆ๐“๐ˆ๐Š๐€ ๐๐˜ ๐Š๐Œ๐…/๐‚๐๐Ž๐„

Posted by - aoรปt 31, 2024 0
๐Œ๐€๐Œ๐๐Ž๐‘๐ˆ๐’๐ˆ๐Š๐€ ๐๐˜ ๐•๐„๐‡๐ˆ๐•๐€๐•๐˜ ๐‡๐€๐๐ƒ๐‘๐€๐˜ ๐€๐๐ƒ๐‘๐€๐ˆ๐Š๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐€๐Œ๐ˆ๐’๐๐˜ ๐‘๐€๐‡๐€๐‘๐€๐‡๐€๐Œ-๐๐ˆ๐‘๐„๐๐„๐๐€ ๐’๐˜ ๐๐˜ ๐๐Ž๐‹๐ˆ๐“๐ˆ๐Š๐€ ๐๐˜ ๐Š๐Œ๐…/๐‚๐๐Ž๐„ แดขแดแดแด€ 30 แด€แดษขแดsษชแด›ส€แด€ 2024 ,แด‡า“ษชแด›ส€แด€ษดแด แดแด€สŸแด€สŸแด€แด‹แด€ ษดส า“แด€ส€ษชแด›ส€แด€…

Fikambanana AFF Boriboritany faha 2 | Nifampiarahaba nahatratra ny taona

Posted by - janvier 28, 2024 0
๐๐ˆ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐€๐‘๐€๐‡๐€๐๐€ ๐“๐‘๐€๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐“๐€๐Ž๐๐€, ๐๐ˆ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐‘๐€๐‘๐˜ ๐’๐Ž๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐Š๐€๐Œ๐๐€๐๐€๐๐€ ๐€๐๐ƒ๐‘๐˜ ๐’๐˜ ๐…๐Ž๐“๐Ž๐“๐‘๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐’๐๐˜ ๐…๐€๐Œ๐๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐’๐Ž๐€๐๐€ ๐“๐„๐“๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐๐Ž๐‘๐ˆ๐๐Ž๐‘๐ˆ๐“๐€๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€๐‘๐Ž๐€ Ny sabotsy…