Manamafy ny ady aminβny fanapahan-doha sy ny fiarovana ny ankizy marefo ny fitondrana
Mihamafy hatrany ny ahiahy sy ny tebitebinβny mponina manoloana ny fitomboanβireo tranga fanapahan-doha mahakasika ireo ankizy varira any aminβny faritra maro eto Madagasikara. Ho setrinβizany toe-javatra mampanahy izany dia nanambara fepetra vaovao ny Filohanβny Fanavaozana, izay mikendry ny hanamafisana ny fiarovana sy ny fikarakarana ireo ankizy lasibatra.
Araka ny fanazavana navoakany, dia hisy toerana manokana hatsangana handraisana ireo ankizy varira mba hiantohana ny fiarovana sy ny fahasalamany. Efa voafaritra sahady ny tany hanatanterahana izany tetikasa izany, ary tsy ho ela ny hanombohanβny asa fananganana.
Toerana feno fotodrafitrasa sy fiarovana
Tsy ho toeram-ponenana tsotra ihany anefa no hatsangana. Nambaranβny Filohanβny Fanavaozana fa hisy sekoly, chapelle ary fotodrafitrasa ilaina aminβny fiainana andavanandro ao anatinβio toerana io. Hatao laharam-pahamehana ihany koa ny filaminana, ka hisy miaramila, zandary na polisy hiandraikitra ny fiambenana sy ny fiarovana ireo ankizy sy fianakaviana hipetraka ao.
Tanjona aminβizany ny hamoronana tontolo azo antoka sy milamina, ahafahanβireo ankizy varira miaina sy mianatra tsy misy tahotra.
Tranga nahoraka tany Toliara: olona valo nosamborina
Etsy ankilany, niteraka resabe ny raharaha fanapahan-doha ankizy varira nitranga tany Toliara. Raha ny tatitra voaray dia olona valo no voasambotra sy atao famotorana aminβizao fotoana izao, ary karandoha roa no voalaza fa tratra nandritra ny fanadihadiana.
Mahavariana fa ahitana olona avy aminβny sokajinβasa sy sehatra samihafa ireo voarohirohy, anisanβizany ny ombiasy roa, mpianatra eny aminβny oniversite, mpiasam-panjakana ary olon-tsotra.
Mitaky mangarahara aminβny fanadihadiana
Manoloana ny fahamaroanβny resaka sy ny tombantombana miparitaka, dia nanao antso avo aminβireo tomponβandraikitra misahana ny fanadihadiana ny Filohanβny Fanavaozana mba hampahafantatra aminβny fomba mangarahara ny valinβny fanadihadiana.
Nohamafisiny fa manan-jo hahafantatra ny marina ny vahoaka Malagasy, indrindra raha misy olona manana andraikitra ambony na manam-pahefana voarohirohy aminβity raharaha ity.
Toromarika hentitra ho anβny mpitandro filaminana
Nandritra izany dia nanome toromarika mazava ho anβireo tomponβandraikitra rehetra, indrindra ny mpitandro filaminana, ny Filohanβny Fanavaozana mba handray andraikitra feno sy hentitra aminβny ady aminβireo tambajotra sy olona voarohirohy aminβny herisetra atao aminβireo ankizy varira.
Mampitombo ny ahiahinβny mponina mantsy ny fitranganβireo raharaha fanapahan-doha misesisesy tato anatinβny fotoana vitsy, ka mitaky fandraisana andraikitra haingana sy mahomby avy aminβny fanjakana sy ny rafitra mpampihatra lalΓ na.
Raha mbola mitohy ny fanadihadiana momba ireo raharaha mampihorohoro ny sainβny maro, dia manome fanantenana ny fikasana hanangana toerana manokana hiarovana ireo ankizy varira. Mbola andrasanβny vahoaka kosa ny fahafantarana ny marina rehetra sy ny fanasaziana ireo tomponβantoka, mba hahafahanβny filaminana sy ny fahatokisanβny olom-pirenena miverina indray.
Nangonin’ Lay Mahitsy




