Foara Be andiany voalohany eto Ambohimalaza

14 0
Nahasarika olona maro ny Foara Be andiany voalohany eto Ambohimalaza… indrindra fa ireo tantsaha sy mpamokatra avy amin’ny faritra samihafa.
Nampiavaka ity hetsika ity ny fisian’ireo tranoheva fampirantiana ny varotra, izay ahafahan’ireo mpandray anjara mampahafantatra sy mivarotra mivantana ny vokatra avy aminy. Ahitana ny vokatry ny fambolena, ny fiompiana, ary ireo vokatra voahodina avy amin’ny sehatra samihafa.
Mbola maro ihany koa ireo hetsika ara-kolontsaina sy ara-toekarena manamarika ny Foara, isan’izany ny fampisehoana ara-javakanto, ny famelabelaran-kevitra, ary ny tombola lehibe izay mety hahazoana moto sy loka maro isan-karazany.
Toy izao ny tafatafa tamin’ireo sendran’ny Mpanao gazetinay, eto anivon’ny feon’ny demokrasia
Marihina fa nanomboka ny 14 Mey 2026 ary hitohy hatramin’ny 17 Mey izao ity hetsika lehibe fampisongadinana ny tantsaha sy ny vokatra eto amin’ny Kaominina Ambohimalaza Miray ity
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

𝐃𝐑𝐄𝐍 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 𝟕,𝟗𝟎% 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐓𝐎 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 𝐈𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀

Posted by - janvier 24, 2025 0
Nanantanteraka fiarabana tratrin’ny taona ny fitaleovam-paritry ny fanabeazam-pirenena ato Menabe niaraka tamin’ny farimpiadidiam-pampianarana Morondava ka nandritra izany no nitondran’ny talem-paritra…