โ€œ๐‡๐ž๐ง๐ญ๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐ง๐ž๐Ÿ๐š ๐ฆ๐š๐ง๐š๐ค๐š๐ข๐ค๐ฒ ๐ฏ๐š๐ก๐จ๐š๐ค๐šโ€ : ๐๐š๐ฉ๐ž๐ญ๐ซ๐š๐ค๐š ๐ญ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐จ๐ฆ๐›๐š ๐จ๐Ÿ๐ข๐ฌ๐ข๐š๐ฅ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐๐ซ๐จ๐œ๐ฎ๐ซ๐ž๐ฎ๐ซ ๐ฏ๐š๐จ๐ฏ๐š๐จ ๐ž๐ญ๐จ ๐Œ๐š๐ก๐š๐ฃ๐š๐ง๐ ๐š

22 0
Notanterahina androany teto Mahajanga ny lanonam-pitsarana manetriketrika fametrahana aminโ€™ny fomba ofisialy anโ€™Atoa ANDRIMPIRENENA Andrรฉ ho Procureur de la Rรฉpublique eo anivonโ€™ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto an-drenivohitrโ€™i Boeny. Ny Tale Kabinetranโ€™ny Ministeranโ€™ny Fitsarana no nitarika ny fotoana.
Nanatrika izany ihany koa ny Sekretera Jeneralinโ€™ny Faritra Boeny, izay nisolo tena anโ€™Atoa Lehibenโ€™ny Faritra.
Nandritra ny lahateniny, nanamafy ny Procureur vaovao fa ho hentitra aminโ€™ny fampiharana ny lalร na ny Fampanoavana eo ambany fitantanany, ary hanao izay rehetra azo atao aminโ€™ny fanenjehana ireo mpandika lalร na, na aminโ€™ny endriny inona na aminโ€™ny fomba ahoana.
Nambarany fa paikady lehibe telo no hapetraka ho fanatanterahana ny vina sy tanjona kendrena, dia ny :
fametrahana Fampanoavana manakaiky sy zakanโ€™ny daholobe ;
fanajana ny zonโ€™olombelona ;
fanamafisana ny fiaraha-miasa sy fanakaikezana ireo Mpitsara rehetra ao anatinโ€™ny rafitra, mba hahafahanโ€™izy ireo miasa araka ny lalร na sy mifanaraka aminโ€™ny politikam-panjakana momba ny โ€œfitsarana manakaiky vahoakaโ€.
Nanampy ihany koa Atoa ANDRIMPIRENENA Andrรฉ fa misokatra aminโ€™ny vahoaka rehetra ny Fampanoavana, ho fampanjakana ny mangarahara sy ny fitokisanโ€™ny olom-pirenena ny fitsarana.

Related Post

๐‘ต๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’ ๐’‡๐’‚๐’๐’‚๐’Ž๐’‘๐’Š๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐‘ฌ๐‘ท๐‘ท ๐‘ฉ๐’†๐’•๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’‚๐’Œ๐’

Posted by - mars 3, 2024 0
Namaly ny hetahetan’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra sy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny EPP Betambako ,Zap Bejofo, Cisco Ambatondrazaka ny Solombavam-bahoaka Josรฉ…