AMBODISAINA – IVONDRO (TOAMASINA II) TSAHO MOMBA NY “ZAZAVAVIN-DRANO” : NOLAVIN’IREO MPANARATO TANTERAKA

20 0

Ambodisaina, Ivondro — Niteraka resabe sy fikorontanan-tsaina teo anivon’ny mponina tao Ambodisaina, ao amin’ny Distrikan’i Toamasina II, ny tsaho niparitaka tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, nilaza fa nisy mpanarato nahazo na nisambotra “zazavavin-drano”.

Niely haingana tamin’ny tambajotra sosialy sy ny teny ifampiresahana eny ifotony izany vaovao tsy voamarina izany, ka nahasarika olona maro nankany an-toerana. Nisy ireo te hahita maso ilay zava-mitranga, ary nisy koa ny filazana fa efa novonoina ilay lazaina ho “zazavavin-drano”, ka vao mainka nampiakatra ny ahiahy sy ny fahalianan’ny maro.

Manoloana ny fiparitahan’ity tsaho ity dia namoaka fanambarana mazava ireo mpanarato voatonona, nandà tanteraka ny fisian’izany tranga izany. Nohamafisin’izy ireo fa tsy misy ifandraisany amin’izay lazaina ary fanaratsiana sy fanosoram-potaka no fototry ny tsaho miparitaka.

Nanentana ny rehetra izy ireo mba tsy hino avy hatrany ny vaovao tsy voamarina, ary hiandry hatrany ny fanazavana ofisialy alohan’ny hizaràna vaovao, mba hisorohana ny fikorontanan-tsaina sy ny fiparitahan’ny vaovao diso.

Marihina fa mitaky fitandremana manokana ny fanaparitahana vaovao amin’ny vanim-potoanan’ny tambajotra sosialy, satria mety hiteraka fikorontanana eo amin’ny fiarahamonina ny tsaho tsy voafehy.

Isaorana manokana ny VISIONNAIRE GRAVE tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny fanangonana ny vaovao.

Related Post