FIKAONAN-DOHAM-PIRENENA MOMBA NY TANORA: HATAO NY 14 APRILY ENY IVATO

146 0

Hatomboka amin’ny fomba ofisialy ny talata 14 Aprily 2026 ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny fikaonan-doham-pirenena momba ny tanora, hetsika lehibe iray mikendry ny hanamafisana ny anjara toeran’ny tanora eo amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Araka ny fanazavana voaray, tsy ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena irery no mikarakara ity fotoana ity, fa iarahan’ny ministera maro sy ny eo anivon’ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika miara-misalahy. Maneho izany ny finiavana hampiditra fomba fijery iombonana sy politika mirindra manoloana ny olan’ny tanora.

Nasongadin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena fa napetraka ho laharam-pahamehana ny fanatanterahana ity fikaonan-doha ity. Nambarany ihany koa fa misokatra ho an’ny tanora rehetra manerana ny Nosy ny fandraisana anjara, tsy misy fanavahana, mba hahafahana mandray an-tsoratra sy mandinika ny hetahetan’izy ireo ary mamolavola vahaolana maharitra.

Hifantoka amin’ny fifanakalozan-kevitra sy fanangonana soso-kevitra avy amin’ny tanora ny hetsika, izay antenaina hitondra vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny politika nasionaly mikasika ny tanora eto Madagasikara.

Related Post

𝗙𝗔𝗡𝗢𝗥𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗣𝗣 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔- 𝗣𝗘𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗞𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡𝗔𝗡𝗜𝗕𝗘 – 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗧𝗼𝗹𝗮𝗴𝗻𝗮𝗿𝗼- 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆

Posted by - avril 20, 2024 0
FORT-DAUPHIN. 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗥𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗣𝗣 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔- 𝗣𝗘𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗞𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡𝗔𝗡𝗜𝗕𝗘 – 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗧𝗼𝗹𝗮𝗴𝗻𝗮𝗿𝗼- 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆   Araka ny programan’asa ny fitondram-panjakana…