πŒπšπžπ―πšπ­πšπ§πšΜ€π§πš: 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐟𝐒𝐯𝐨𝐚𝐫𝐒𝐚𝐧𝐚 π¦π›πš 𝐚𝐑𝐚𝐳𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐀𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐒-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π₯𝐚𝐟𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐑𝐚π₯𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 π¦πšπ¦π›π«πš 𝐧𝐲 πŽπŒπ‚ 𝐑𝐄𝐆 ππžπ­π¬π’π›π¨π€πš.

6 0
πŒπšπžπ―πšπ­πšπ§πšΜ€π§πš: 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐟𝐒𝐯𝐨𝐚𝐫𝐒𝐚𝐧𝐚 π¦π›πš 𝐚𝐑𝐚𝐳𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐀𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐒-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π₯𝐚𝐟𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐑𝐚π₯𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 π¦πšπ¦π›π«πš 𝐧𝐲 πŽπŒπ‚ 𝐑𝐄𝐆 ππžπ­π¬π’π›π¨π€πš.
πŸ“Œ Tao amin’ny efitranom-pivorianan’ny prefektioran’i MaevatanΓ na ny Talata faha 17 Martsa taona 2026 teo iny, tokon’ny tamin’ny 04 ora hariva tany ho any no nanatanteraka fivoriana niarahana tamin’ny mambra ny OMC Betsiboka, sy ireo mpisehatra rehetra amin’ny lafin’ny tsy fampandriam-pahalemana aty an-toerana, izay nahitana ireo solotena: eo anivon’ny farita Betsiboka, mpitsara mpanao famotorana, lehiben’ny boribory tany, ben’ny tanΓ na, Talem-paritry ny fananan-tany, ekipa mandrafitra ny dinam-pokon’olona, filoham-pokontany, firaisamonimpirenena: Β Β» RΓ©seau des Jeunes OBS Mada Betsiboka. « 
πŸ“Œ Ny dinidinika ambany tafon-trano notarihan’Atoa prefetn’i MaevatanΓ na natao teto moa dia hanatsarana sy hanomezana torimarika, hialana amin’ny mety ho firongatry ny tsy fandriam-pahalemana ato anatin’ny faritra Betsiboka.
πŸ“Œ Izany no natao mba hisian’ny vokatra azo ho miantefa amin’ny fiainam-bahoaka. Saingy azo tsapai-tanana kosa aloha hatreto ny fihenan’ny tsy fandriam-pahalemana misy, raha ny angom-baovao voaray hatrany.
πŸ“Œ Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa nafana ny fanehoan-kevitra nisy, izay naharitra ora maro teto no nampanantsoina manokana nandritra izao fivoriana izao ny tompon’andrakitra voalohany, eo anivon’ny Jiro sy Rano Malagasy eto MaevatanΓ na ny amin’ny tokon’ny mba hijerena vahaolana maharitra amin’ity fahatapan-jiro tsy mety manam-pahavitana lazaina fa misy olana ara-tekinika lava ity . Nandeha moa ny fanontaniana tamin’io tompon’andrakitra voalaza etsy aloha io, amin’ny tena zava-misy marina manoloana ny fahatapan-jiro, izay mampitondra faisana ny vahoaka an-kehitriny, sao hampanararaotra ireo mpanao ratsy amin’ny hateraky haizina misy aty an-toerana.
✍️ Zandry be Tantely
πŸ“· OBS Mada Betsiboka & Z.B

Related Post