๐…๐š๐ง๐ž๐ง๐๐ซ๐ž๐ง๐š ๐๐ซ๐š๐ข๐ฆ๐ข๐ง๐ข๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐ฏ๐š๐จ๐ฏ๐š๐จ : ๐Œ๐š๐ง๐ž๐ก๐จ ๐Ÿ๐š๐ง๐ค๐š๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐š๐ก๐š๐ง๐š ๐ฌ๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ง๐จ๐ก๐š๐ง๐š๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐‚๐ž๐ซ๐œ๐ฅ๐ž ๐๐ž ๐‘๐žฬ๐Ÿ๐ฅ๐ž๐ฑ๐ข๐จ๐ง ๐๐ž๐ฌ ๐„๐ฅ๐ข๐ญ๐ž๐ฌ ๐™๐š๐ง๐š๐คโ€™๐ข ๐…๐ข๐š๐ง๐š๐ซ๐š๐ง๐ญ๐ฌ๐จ๐š

74 0
Antananarivo โ€“ 18 Martsa 2026.
Namoaka fanambarana ny Cercle de Rรฉflexion des Elites Zanakโ€™i Fianarantsoa, izay nanehoany fankasitrahana ny fanapahan-kevitry ny Fanjakana Foibe tarihinโ€™i Kolonely Michael Randrianirina, miaraka aminโ€™ireo Mpanolontsaina Avo eo anivonโ€™ny rafitra miandraikitra ny Fanavaozana ny Repoblikanโ€™i Madagasikara, taminโ€™ny fanendrena ny Praiminisitra lehibenโ€™ny Governemanta vaovao.
Ao anatinโ€™izany fanambarana izany dia niarahaba sy nirary soa anโ€™i Praiminisitra Mamintiana Rajaonarison ihany koa izy ireo, aminโ€™ny fandraisany ny andraikitra ambony eo aminโ€™ny fitantanana ny Governemanta. Araka ny nambaranโ€™ity vondrona ity, dia antenaina hahavita tsara ny adidy iantsorany ny Praiminisitra vaovao, ka hitondra vahaolana sy fandrosoana ho anโ€™ny firenena.
Notsiahivinโ€™ny Cercle de Rรฉflexion des Elites Zanakโ€™i Fianarantsoa koa ny asa vitanโ€™ireo minisitra teratany avy ao Fianarantsoa, nandritra ny fitantananโ€™izy ireo ireo ministera notantaniny tsirairay avy. Noho izany, dia naneho fisaorana sy fanohanana izy ireo mba hanohizanโ€™ireo tomponโ€™andraikitra ireo ny andraikitra efa nosahaniny teo aloha.
Eo am-pamaranana ny fanambarana, dia nanamafy ny fankatoavana sy fankaherezany ireo tomponโ€™andraikitra dimy mirahalahy ny vondrona, ary nanantena fa hitondra fiaraha-miasa sy firaisankina aminโ€™ny fanatanterahana ny adidy masina hiadiana ho anโ€™ny tombontsoanโ€™ny vahoaka Malagasy sy ny ho avinโ€™ny Nosin-drazana.
Nofaranana taminโ€™ny hafatra manamafy ny maha-izy azy ireo ny fanambarana, manao hoe :
ยซ Zanakโ€™i Fianarantsoa tsa mandร  fagnina ยป.
Nangonin’ Lay Mahitsyย 

Related Post

๐€๐Œ๐๐€๐“๐Ž๐Œ๐ˆ๐‘๐€๐‡๐€๐•๐€๐•๐˜ โ€“ ๐Ÿ๐Ÿ” ๐‰๐Ž๐๐€ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ“

Posted by - juin 28, 2025 0
๐€๐Œ๐๐€๐“๐Ž๐Œ๐ˆ๐‘๐€๐‡๐€๐•๐€๐•๐˜ โ€“ ๐Ÿ๐Ÿ” ๐‰๐Ž๐๐€ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ“ ๐—™๐—ฎ๐—ป๐—ธ๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐˜‡๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐—ถ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ-๐Ÿฒ๐Ÿฑ ๐˜๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—น๐—ฒ๐—ผ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ป๐˜๐—ฒ๐—ป๐—ฎ Natao tamim-pomba miavaka sy manandanja ny fankalazana…