Ivato, 27 Febroary โ Tonga eto Madagasikara ny fanampiana milanja 303 taonina, ahitana fitaovana sy fanampiana ara-tsakafo, avy aminโny Rosia, tao anatinโny fiaraha-miasa ara-diplaomatika sy ara-pirahalahiana misy eo aminโny firenena roa tonta.
Teny aminโny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato no nandray izany taminโny fomba ofisialy ny Filohanโny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Michael Randrianirina, niaraka taminโny Praiminisitra sy ireo minisitra vitsivitsy ao anatinโny Governemanta, ary koa ireo tomponโandraikitra ambony sivily sy miaramila.
Araka ny fanazavana azo, dia natao hanohanana ny ezaka ataonโny fanjakana aminโny fiatrehana ny filร na maika sy ny fanamafisana ny fahavononana ara-pitaovana ity fanampiana ity. Ahitana fitaovana ilaina aminโny asa sosialy sy fanampiana ara-tsakafo ho anโireo marefo indrindra izany.
Nambaranโireo tomponโandraikitra nandritra ny lanonana fa mariky ny fifandraisana matanjaka sy ny fifampitokisana eo aminโi Madagasikara sy Rosia izao fanolorana izao. Nanamafy izy ireo fa ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena toy izao no anisanโny andry iankinanโny fanohanana ny fampandrosoana sy ny fanarenana ara-tsosialy.
Ho zaraina araka ny filร na sy ny laharam-pahamehana apetraky ny fanjakana ireo fitaovana sy fanampiana ara-tsakafo, ka antenaina fa hitondra fanamaivanana ho anโireo sokajinโolona mila tohana manokana.
Aminโny ankapobeny, manamarika dingana iray vaovao eo aminโny fiaraha-miasa stratejika eo aminโny firenena roa tonta ity fanomezana 303 taonina ity, sady maneho fa mitohy ny fanamafisana ny fifandraisana eo aminโi Madagasikara sy Rosia.




