π—˜π—‘π—§π—œπ—‘π—” 𝗔𝗣𝗔π—₯π—œπ—§π—”π—žπ—” π— π—”π—‘π—˜π—₯𝗔𝗑𝗔 𝗑𝗬 𝗑𝗒𝗦𝗬 𝗑𝗬 π—©π—’π—žπ—”π—§π—₯𝗔 𝗔𝗩𝗬 π—”π— π—œπ—‘’𝗑𝗬 𝗙𝗔π—₯π—œπ—§π—₯𝗔 π—”π—‘π—§π—¦π—œπ— π—’ π—”π—§π—¦π—œπ—‘π—”π—‘π—”π—‘π—” 𝗦𝗬 π—™π—œπ—§π—’π—©π—œπ—‘π—”π—šπ—‘π—¬ π—”π— π—œπ—‘’𝗑𝗬 π—”π—Ÿπ—”π—Ÿπ—”π—‘’𝗑𝗬 π—£π—”π—‘π—šπ—”π—Ÿπ—”π—‘π—” 𝗧𝗒𝗨π—₯

37 0

Β Ho fampiroboroboana ny vokatra avy amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy fitovinagny dia manantan-teraka ny Pangalana tour izay tarihin’ny fandaharan’asa DEFIS iarahany amin’ny avy eo anivon’ny antenimieran’ny varotra sy Indositria Antsimo Atsinanana sy Vatovavy fitovinagny eo ambany fiainan’ny ministeran’ny varotra sy fanjifana amin’ny alalan’ireo fitaleovam-paritry ny varotra sy ny fanjifana izay vatsiany FIDA, ka faritra efatra no tetezina amin’izao andihany voalohany izao dia ny faritra Amorin’i Mania sy Vakinakaratra, Analamanga ary Menabe. Nanomboka tamin’ny faha 8 dΓ©cembre moa ny hetsika tao Ambositra ary androany no nosokafan’ny PrΓ©fet an’i Morondava tamin’ny fomba ofisialy ny an’ny faritra Menabe izay isany nahazo tombony manokana satria distrika roa no handalovan’ity hetsika Pangalana tour ity dia Morondava sy Miandrivazo, izay samy haharitra roa andro avokoa. Isany tanjona lehibe amin’izao Pangalana tour izao moa no fampafantarana ireo vokatra avy amin’iny faritry Antsimo Atsinanana sy Vatovavy fitovinany iny ary ny hanokafana lalam-barotra amin’ireo faritra handalovana hoy Ramatoa Murielle Razafitianamalala filoha lefitry ny federasiona ny antenimieran’ny varotra eto Madagasikara. Tombony ho an’ny sehatry ny seham-pamokarana ato Menabe ny fandalovan’ny Pangalana tour hoy ny filohan’ny antenimieran’ny varotra sy Indositria ato Menabe ka mendrika halaina tahaka , ezahina koa ny fanetsehana ny tranoben’ny Tantsaha izay vondrona iray tsy afa misaraka amin’ny antenimieran’ny varotra sy Indositria hoy hatrany izy Fampiroboromboana ny seham-pamokarana izay fandaharan’asan’ny fanjakana ny tanterahan’ny DΓ©fis mba ho fampitomboana ny fidirambolan’ny tantsaha izay ato amin’ny tampan’ ny atsimon’ny Madagasikara Zava-dehibe ho an’ny ministeran’ny varotra sy fanjifana izao hetsika izao satria fanomezan-danja ny vokatra ato anatiny hialana amin’ny fanafarana avy any ivelany sady mandray anjara lehibe amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo hoy ny talemparitry ny varotra sy fanjifana ato Menabe. Isany lalan-tsaina tsara tokony hitarina moa izao hetsika Pangalana tour izao ka hanairana ny federasiona ny varotra sy ny Indositria ary indrindra ny ministera mba hanoizana sy hanitarana izao etsika izao eny fa na dia ireo faritra mifanilam-bodirindrina ihany aza fa tsy hijanona amin’ny resaka tsenabe indray mandeha isan-taona izay tsy mivelatra fa ao amin’ny renivohitry Madagasikara hatrany no hanaovana azy ka voafetra ireo mpandray anjara nohon’ny en-timanana .Β 
✍️RA PA

Related Post