๐“๐€๐๐€๐Œ๐๐€๐Ž ๐• โ€“ ๐€๐๐“๐’๐ˆ๐‘๐€๐๐€๐๐€ : ๐‹๐„๐‡๐ˆ๐‹๐€๐‡๐˜ ๐๐ˆ๐“๐Ž๐๐ƒ๐‘๐€ ๐‘๐Ž๐๐†๐Ž๐๐˜ ๐Œ๐ˆ๐‹๐€๐๐‰๐€ ๐Ÿ๐ŸŽ ๐Š๐ˆ๐‹๐€๐Ž ๐๐Ž๐’๐€๐Œ๐๐Ž๐‘๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐๐Ž๐‹๐ˆ๐’๐ˆ๐Œ๐๐ˆ๐‘๐„๐๐„๐๐€

329 0
๐‘ด๐’Š๐’•๐’๐’‰๐’š ๐’๐’š ๐’‚๐’…๐’š ๐’‚๐’Ž๐’Š๐’โ€™๐’๐’š ๐’‡๐’Š๐’‘๐’‚๐’“๐’Š๐’•๐’‚๐’‰๐’‚๐’โ€™๐’๐’š ๐’›๐’‚๐’—๐’‚-๐’Ž๐’‚๐’‰๐’‚๐’…๐’๐’Ž๐’†๐’๐’Š๐’๐’‚
Ny alinโ€™ny 13 Desambra 2025, nandritra ny fisafoana ara-pilaminana nataonโ€™ny Polisim-pirenena miasa ao aminโ€™ny Kaomisaria Tanambao V, ao Antsiranana, no nahasarika ny sainโ€™ny mpitandro ny filaminana ny fihetsika mampiahiahy nasehonโ€™ny lehilahy iray nitondra harona.
Rehefa nasaina nijanonana sy nosavaina ny entana teny aminy, dia hita tao anatinโ€™ilay harona ny rongony efa voafono tsara, milanja 10 kilao. Natao avy hatrany ny fisamborana, ary nentina teny aminโ€™ny biraonโ€™ny Polisy ilay lehilahy hanaovana fanadihadiana lalina.
Taorianโ€™ny fanadihadiana mialoha dia kasaina hatolotra eny anivonโ€™ny Fampanoavana izy, araka ny lalร na manan-kery. Manamarika indray izao tranga izao ny fahavononanโ€™ny Polisim-pirenena hanohy tsy an-kiato ny ady aminโ€™ny fiparitahanโ€™ny zava-mahadomelina, ho fiarovana ny filaminam-bahoaka sy ny hoavinโ€™ny tanora.
N๐šn๐ o๐งi๐ง ‘L๐šy M๐šh๐ขt๐ฌy

Related Post