π…π’π¨π¦πšπ§πšπ§πš πšπ¦π’π§β€™π§π² π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 πƒπ’π§π’π€πš 𝐧𝐒𝐚𝐫𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 π­πšπ¦π’π§β€™π§π² 𝐑𝐞𝐫𝐲 𝐯𝐞π₯𝐨𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 π€π§π­πžπ§π’π¦π’πžπ«πšπ§β€™π§π² π‘πšπ’πšπ¦πšπ§ππ«πžπ§π² 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐭𝐬𝐒𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲

24 0

Natao teny amin’ny Tranompokonolona Ralaivelo Daniel Tsianolondroa, Fianarantsoa ny fankan-kevitra notarihin’ny Antenimieran’ny Raiamandreny Herivelona eto amin’ny faritra Matsiatra Ambony ho fiomanana amin’ny fikaonandoham-pirenena.

Nandray anjara tamin’ny hetsika ireo hery velona avy amin’ny sehatra sy rafitra samihafa, toy ny fiarahamonim-pirenena, antoko politika, ary vondrona kristianina. Anisan’ny hita sy nanome voninahitra ny fotoana i Nicolas Ramamonjy, mpanolotsaina an’i Solombavambahoaka Marie Michelle. Tanjona amin’ny dinika ny fanomanana an’ireo fandraisana andraikitra ho an’ny fikaonandoham-pirenena, izay tontosain’ny FFKM.

Nambaran’i Andriamatoa Benjamin Raharison, DAGR-n’ny Faritra Mahatsiatra Ambony, fa β€œolana ny eo amin’ny lahika hitarika ny dinika aty amin’ny faritra, satria mbola amin’ny sehatry ny Faritra ihany no misy ny antenimieran’ny ray Aman-dreny.” Tsy Mbola misy eny anivon’ny Kaominina sy ny Fokontany. Fantatra fa maneho fahavononana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fikaonandoha ihany koa ny antoko IRMAR, izay hita nanatrika na teto an-toerana na tamin’ny dinika nasionaly.

Nangonin’i Ando R.

Related Post