Kaominina iray aminโireo 23 mandrafitra ny faritra Itasy ao anatinโny distrikanโny Arivonimamo ny kaominina ambonivohitrโImeritsiatosika , manana velaran-tany mirefy 173Kmยฒ ka fokotany 36 no mandrafitra azy ; hatraminโny nisianโny rafitra kaominaly dia benโny tanana 5 no viafidim-bahoka nitantanana ny kaominana .
Ny fivelomanโny mponina dia mifototra aminโny fambolena sy fiompiana fa saingy hita ato Imeritsiatosika avoaka ny seham-pihariana rehetra .
Nanomboka ny taona 2015 nandraisanโAndriamatoa Andriambolanarivo Parisoa ny fitantanana ny kaomnina dia hita fa niova endrika tanteraka ny tanana sy ny toen-tsainโny mponina satria ny soatoavina sy lalan-tsainana nentinโny benโny tanana dia ny hoe ยซ Ny olona no harena voalohany ยป ka ny fampandraisana anajara ny olona tsirairay no fototry ny fampandrosoana ary ny fametrahana ny mangaraharaha eo aminโny fitantanana ary fampafantarana ny tamberinโandraikitra no nentina nanetsehana sy nanentanana ny mponina aminโny fanaovana adidy sy fandoavan-ketra ka nafahana nametraka ny tombotsoa iraisana sy ireo fotodrafitrโasa izay nametrahana hatrany ny fotodrafitrโasa hitambaranโny rehetra toinโny Lampanโny tanana taminy fotoam-pitondrany voalohany ary ny tsenabe ny firaisankina ny fotoam-pitondrany nanaraka anโio fa aminโizao dia ny tranom-pokonolona ary eo koa ireo fotodrafitrโasa izay isam-pokotany araky ny filanโny fokotany tsirairay avy toinโny lalana sy sekoly izay sitrahanโny vahoaka ary mamaha ny olanโizy ireo sady manome endrika ny tanana ka maha resy lahatra ny rehetra hany ka na ireo antokom-politika aza nandritrinโny fifidiana benโny tanana farany teo dia tsy nisy sahy nifaniana taminy .
Isany tombony ho anโny kaominina Imeritsiatosika noho izy ambohim-pihaonana eo aminโireo kaominina manodidina izay saika mandalo eo avokoa fa tombony ho anโny Imeritsiatosika kosa noho izy akaiky ny renivohitry Madagasikara na dia lavitra aminโny renivohitry ny faritra Itasy aza ny kaominina Imeritsiatosika .
Raha ny resaka tetikasa tanana vaovao indray dia olana ho anโny Kaominina ny fanaovanโny fitondrana teo aloha azy ary lasa niteraka fitokonanโny mponinโny Imeritsiatosika ; hery lehibe ho anโny fampandrosoana ny kaominina hoy ny benโny tanana ny fametrahana ny fihavana sy ny firaisakina ary fampandraisana anjara ny rehetra ary indrindra fa ny fijoroanโny Benโny tanana ny fotokโevitra nirotsahany ho benโny tanana tsy misolelaka manaraka ny antokonโny eo aminโny fitondrana .
Betsaka ireo zava-bita izay ambom-po ny vahoakanโny Imeritsiatosika madidio na dia eo aza ireo mpiara-miombonโantoka nanampy taminโny lafiny teknika .
Ho anโizay efa nandalo sy mivezivezy ao aminโny kaominina Imeritsiatosika dia mahita tsara fa mandroso sy mivoatra ity kaominina ity ka maro ireo avy aminโny kaominina manodidina no mifindra monina ao izay lasa olana eo aminโny kaominina aminโny fandaminana sy fitan-tanana saingy na dia eo aza izany dia tsy miraviravy tanana ny mpitanatana fa miezaka mametraka ny fandaminana hafahanโny rehetra miara miaina sy mampirindra ny fiaraha-monina .




