VCD Piraty 5 000 sy Boky Hosoka Nodoran’ny Manampahefana tao Antehiroka

231 0
Antehiroka — VCD mirakitra horonan-tsary piraty miisa 5 000, boky sandoka 15, ary fitaovan-tserasera ampiasaina amin’ny fanaovana kopia an-tsokosoko no nodoran’ny manampahefana tao amin’ny fokontany Morondava, Kaominina Antehiroka. Ireo entana hosoka ireo dia hita sy nosavaina teny Ambodin’Isotry, Anosibe, ary Andravohangy, toerana efa fantatra hatry ny ela amin’ny fiparitahan’ny kapila mangirana sandoka.
Araka ny fanazavana avy amin’ny manampahefana eo an-toerana, ahitana andian’olona efa za-drahona amin’ny asa fanontana sy fizarana ireo kapila hosoka ireo — fantatra amin’ny fiteny andavanandro hoe « Mpanao Piraty » izay mampiditra am-pielezana vokatra tsy ara-dalàna eny amin’ny tsena sy eny amoron-dalana.
Notsipihin’ny Brigade anti-pirate fa hatramin’izao dia tsy mbola nisy fahazoan-dalana ofisialy navoaka ho an’ireo mpivarotra hira sy horonan-tsary amin’ny toerana ampahibemaso. Voaheloky ny lalàna araka izany ny fivarotana, ny fiparitahana ary ny fitadiavam-bola amin’ny vokatra noforonin’olona hafa tsy nahazoana alalana mivantana.
Nilaza hatrany ny tompon’andraikitra fa natao hamehezana sy hanamafisana ny ady amin’ny hosoka no sady hiarovana ny zon’ny mpamorona sy ny tontolo ara-kolontsaina eto Madagasikara izao hetsika fandravana sy fandorana ireo vokatra sandoka izao.
Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

𝗛𝗖𝗗𝗗𝗘𝗗 : 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗝𝗮𝗺𝗲𝘀 𝗥𝗮𝗺𝗮𝗿𝗼𝘀𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬

Posted by - février 2, 2024 0
 𝗛𝗖𝗗𝗗𝗘𝗗 : 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗝𝗮𝗺𝗲𝘀 𝗥𝗮𝗺𝗮𝗿𝗼𝘀𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬 Tontosa, ny alakamisy 1 febroary 2024, ny fifidianana ny solotenan’ny Ordre…

Fahavitantena ara-tsakafo

Posted by - septembre 11, 2024 0
Ny fahavitantena ara-tsakafo dia fototra iray hiankinan’ny fampandrosoana ny firenena. Teto Changsha no nitsidihanay mivady ny parc de Riziculture Longping.…