๐‹๐„๐‡๐ˆ๐‹๐€๐‡๐˜ ๐…๐‘๐€๐๐“๐’๐€๐˜ ๐„๐…๐€ ๐Ÿ’๐Ÿ— ๐“๐€๐Ž๐๐€ ๐Œ๐€๐‡๐„๐‘๐˜, ๐“๐‘๐€๐“๐‘๐€ ๐๐€๐๐Ž๐ƒ๐ˆ๐Š๐Ž๐ƒ๐ˆ๐๐€ ๐€๐๐Š๐ˆ๐™๐ˆ๐•๐€๐•๐˜ ๐Ÿ๐Ÿ“ ๐“๐€๐Ž๐๐€ ๐“๐€๐Ž ๐๐Ž๐’๐˜ ๐๐„

89 0

Nitranga indray ny tranga fanararaotana ankizy tsy ampy taona any aminโ€™ny faritra fizahan-tany, rehefa voasambotra tao Nosy Be ny lehilahy teratany Frantsay, 49 taona, noho ny fiampangร na azy ho nanodikodina ankizivavy 15 taona.

Araka ny fampitam-baovao azo avy aminโ€™ny mpitandro filaminana, tratra ambodiomby teo am-panaovana fihetsika manafintohina ilay vahiny, raha nifandray akaiky taminโ€™ilay zazavavy. Efa nahabe ahiahy ny fifampiresahana sy ny fifampikasohany miverimberina taminโ€™ilay zaza, ka nahatonga ny polisy hanara-maso akaiky azy.

๐๐š๐ฆ๐ฉ๐š๐ง๐š๐ง๐ญ๐ž๐ง๐š ๐ฏ๐จ๐ฅ๐š ๐ฌ๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐š๐ฅ๐š๐ง๐š ๐ก๐จ ๐š๐ง๐ฒ ๐ข๐ฏ๐ž๐ฅ๐š๐ง๐ฒ

Voalaza fa nampanantena vola sy fiainana ยซ tsara kokoa ยป any Frantsa ilay lehilahy, ka nosintoniny ny sainโ€™ilay ankizivavy taminโ€™ny fampanantenana handefasany vola isan-kerinandro rehefa tafody any aminโ€™ny fireneny. Io resaka mampirisika sy manodikodina io indrindra no nahatonga ny zaza hiditra anaty fandrika, izay tsy fantany akory ny voka-dratsiny.
Tonga ara-potoana anefa ny mpitandro filaminana, ka nosamborina avy hatrany ilay Frantsay teo am-panaovana fihetsika tsy mendrika sady manitsakitsaka lalร na mifehy ny fiarovana ny ankizy.

๐…๐ข๐ค๐š๐ซ๐จ๐ก๐š๐ง๐š ๐ฌ๐ฒ ๐๐ข๐ง๐ ๐š๐ง๐š ๐š๐ซ๐š-๐ฉ๐ข๐ญ๐ฌ๐š๐ซ๐š๐ง๐š

Efa miatrika fanadihadiana lalina ilay voarohirohy. Araka ny lalร na malagasy, heloka bevava mavesatra ny fanararaotana sy fandrikodinam-pitondrana ankizy tsy ampy taona, indrindra raha olona vahiny no manao izany. Andrasana aminโ€™izao fotoana izao ny fepetra ara-pitsarana horaisinโ€™ny Fitsarana ao Nosy Be.

๐€๐ง๐ญ๐ฌ๐จ ๐š๐ฏ๐จ ๐ก๐จ ๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐š๐ซ๐š๐ก๐š๐ฆ๐จ๐ง๐ข๐ง๐š

Mitohy ny antso ataonโ€™ny manampahefana ho anโ€™ny ray aman-dreny, ny mpiara-monina ary ny mpandraharaha eny an-toerana mba ho mailo aminโ€™ny fitondran-tena mampiahiahy ataonโ€™ny vahiny na olona hafa aminโ€™ny ankizy. Mbola isanโ€™ireo olana manahirana ny sehatry ny fizahan-tany eto Madagasikara ny fanararaotana ankizy, ka ilaina ny fiaraha-mientanโ€™ny rehetra aminโ€™ny fandraisana fepetra sy fanakanana izany.

Nangonin’i Bevomaso

Related Post