π‹π„π‡πˆπ‹π€π‡π˜ π…π‘π€ππ“π’π€π˜ 𝐄𝐅𝐀 πŸ’πŸ— π“π€πŽππ€ πŒπ€π‡π„π‘π˜, 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 ππ€ππŽπƒπˆπŠπŽπƒπˆππ€ π€ππŠπˆπ™πˆπ•π€π•π˜ πŸπŸ“ π“π€πŽππ€ π“π€πŽ ππŽπ’π˜ 𝐁𝐄

6 0

Nitranga indray ny tranga fanararaotana ankizy tsy ampy taona any amin’ny faritra fizahan-tany, rehefa voasambotra tao Nosy Be ny lehilahy teratany Frantsay, 49 taona, noho ny fiampangΓ na azy ho nanodikodina ankizivavy 15 taona.

Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny mpitandro filaminana, tratra ambodiomby teo am-panaovana fihetsika manafintohina ilay vahiny, raha nifandray akaiky tamin’ilay zazavavy. Efa nahabe ahiahy ny fifampiresahana sy ny fifampikasohany miverimberina tamin’ilay zaza, ka nahatonga ny polisy hanara-maso akaiky azy.

𝐍𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐯𝐨π₯𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐒𝐚π₯𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐨 𝐚𝐧𝐲 𝐒𝐯𝐞π₯𝐚𝐧𝐲

Voalaza fa nampanantena vola sy fiainana Β« tsara kokoa Β» any Frantsa ilay lehilahy, ka nosintoniny ny sain’ilay ankizivavy tamin’ny fampanantenana handefasany vola isan-kerinandro rehefa tafody any amin’ny fireneny. Io resaka mampirisika sy manodikodina io indrindra no nahatonga ny zaza hiditra anaty fandrika, izay tsy fantany akory ny voka-dratsiny.
Tonga ara-potoana anefa ny mpitandro filaminana, ka nosamborina avy hatrany ilay Frantsay teo am-panaovana fihetsika tsy mendrika sady manitsakitsaka lalΓ na mifehy ny fiarovana ny ankizy.

π…π’π€πšπ«π¨π‘πšπ§πš 𝐬𝐲 𝐝𝐒𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚

Efa miatrika fanadihadiana lalina ilay voarohirohy. Araka ny lalΓ na malagasy, heloka bevava mavesatra ny fanararaotana sy fandrikodinam-pitondrana ankizy tsy ampy taona, indrindra raha olona vahiny no manao izany. Andrasana amin’izao fotoana izao ny fepetra ara-pitsarana horaisin’ny Fitsarana ao Nosy Be.

𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨 𝐚𝐯𝐨 𝐑𝐨 πšπ§β€™π§π² 𝐟𝐒𝐚𝐫𝐚𝐑𝐚𝐦𝐨𝐧𝐒𝐧𝐚

Mitohy ny antso ataon’ny manampahefana ho an’ny ray aman-dreny, ny mpiara-monina ary ny mpandraharaha eny an-toerana mba ho mailo amin’ny fitondran-tena mampiahiahy ataon’ny vahiny na olona hafa amin’ny ankizy. Mbola isan’ireo olana manahirana ny sehatry ny fizahan-tany eto Madagasikara ny fanararaotana ankizy, ka ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fandraisana fepetra sy fanakanana izany.

Nangonin’i Bevomaso

Related Post

Ady amin’ny famarinan’olombelona sy asa an-tery mifandraika amin’ny fanandevozana

Posted by - novembre 5, 2025 0
𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 π…π€ππ€π‘π€π‘π€πŽπ“π€ππ€ 𝐓𝐄𝐑𝐀-π“π€ππ˜ πŒπ€π‹π€π†π€π’π˜ ππ€πŒππ€ππ€πŽπ•πˆππ€ 𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐍-π“π„π‘πˆπ•πŽπ™πŽππ€ π“π€ππ˜ π‚π€πŒππŽπƒπ†π„ : π‹π„π‡πˆπ‹π€π‡π˜ πˆπ‘π€π˜ π•πŽπ€π’π€πŒππŽπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 ππŽπ‹πˆπ’πˆπŒππˆπ‘π„ππ„ππ€ π€π‘π˜ 𝐄𝐅𝐀 ππˆπƒπŽππŽπŠπ€ π€πŒ-ππŽππ‰π€. Ady…