Nivory tao amin’ny Hotel Mantalys Morondava, ny 17 Novambra 2025, ny Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes (BNGRC) sy ny Croix-Rouge Menabe nanatanteraka atrikasa rejionaly ho fanomanana mialoha ny fotoanan’ny rivodoza sy ny ranobe.
Natao hampahafantarana sy hanamafisana ny fomba fandraisana andraikitra eo anivon’ireo sampandraharaha rehetra misahana ny fiomanana amin’ny loza voajanahary ity fihaonambe ity, sady natao hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny mpisehatra eny ifotony.





