Faritra Boeny – Ambato-Boeny, Kaominina Manerinerina Fizarana fanampiana ho an’ireo traboina vokatry ny haintrano

67 0

Natao androany zoma teo anoloan’ny Lapan’ny Tanànan’ny CR Manerinerina ny fizarana fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana, natolotry ny BNGRC ho an’ireo mponina tra-boina noho ny haintrano nitranga herinandro vitsy lasa. Tongan-davana avy any Antananarivo ny delegasiona notarihin’i Lt Teddy sy ireo mpiara-miasa aminy telo lahy, nitondra ireo entana tamin’ny fiaraben’ny BNGRC.

Nahazo izany fanampiana izany ny Fokontany Andranolava sy Bevazaha, ka tokantrano 183 no voakasika. Ireto avy ny karazany sy ny habetsaky ny fanampiana tonga:

  • Vary : 2 288 kg

  • Menaka : 183 litatra

  • Voamaina : 458 kg

  • Koveta : 183

  • Zinga : 183

  • Lovia plastika : 915 isa

  • Savony : 360 isa

Ny Lehiben’ny Distrika no nanolotra ireo entana ireo tamin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana sy ny BNGRC. Nisaotra manokana ny Fanjakana sy ny BNGRC kosa ny Solombavambahoaka, noho ny fijerena sy fitsinjovana ireo traboina tsy mbola tafarina tanteraka.

Nanotrona sy nanome lanja ny hetsika ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin’ny CR Manerinerina, ary tonga nanatrika ihany koa ny CT-n’ny Minisitry ny Fitsarana, Atoa Clément Jaona.

Nidera ny fahamaizana sy ny fandrindrana nataon’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny BNGRC avokoa ireo nandray fitenenana. Natao ihany koa ny fanentanana hoenti-mampatsiahy ny vahoaka ny amin’ny fitandremana manoloana ny afo, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny rivotra mahery izao.

— FDM Ambato-Boeny
📸✍️ Zandrikely Konka

Related Post

𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎 𝐍𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐎𝐌𝐄𝐋𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐈 𝐃𝐈𝐎𝐒𝐄𝐙𝐘

Posted by - avril 14, 2024 0
💢 𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎 𝐍𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐎𝐌𝐄𝐋𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐈 𝐃𝐈𝐎𝐒𝐄𝐙𝐘 𝐒𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐎𝐓𝐑𝐎𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐈𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐈𝐕𝐀𝐕𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀…