Faritra Boeny – Ambato-Boeny, Kaominina Manerinerina Fizarana fanampiana ho an’ireo traboina vokatry ny haintrano

260 0

Natao androany zoma teo anoloan’ny Lapan’ny Tanànan’ny CR Manerinerina ny fizarana fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana, natolotry ny BNGRC ho an’ireo mponina tra-boina noho ny haintrano nitranga herinandro vitsy lasa. Tongan-davana avy any Antananarivo ny delegasiona notarihin’i Lt Teddy sy ireo mpiara-miasa aminy telo lahy, nitondra ireo entana tamin’ny fiaraben’ny BNGRC.

Nahazo izany fanampiana izany ny Fokontany Andranolava sy Bevazaha, ka tokantrano 183 no voakasika. Ireto avy ny karazany sy ny habetsaky ny fanampiana tonga:

  • Vary : 2 288 kg

  • Menaka : 183 litatra

  • Voamaina : 458 kg

  • Koveta : 183

  • Zinga : 183

  • Lovia plastika : 915 isa

  • Savony : 360 isa

Ny Lehiben’ny Distrika no nanolotra ireo entana ireo tamin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana sy ny BNGRC. Nisaotra manokana ny Fanjakana sy ny BNGRC kosa ny Solombavambahoaka, noho ny fijerena sy fitsinjovana ireo traboina tsy mbola tafarina tanteraka.

Nanotrona sy nanome lanja ny hetsika ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin’ny CR Manerinerina, ary tonga nanatrika ihany koa ny CT-n’ny Minisitry ny Fitsarana, Atoa Clément Jaona.

Nidera ny fahamaizana sy ny fandrindrana nataon’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny BNGRC avokoa ireo nandray fitenenana. Natao ihany koa ny fanentanana hoenti-mampatsiahy ny vahoaka ny amin’ny fitandremana manoloana ny afo, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny rivotra mahery izao.

— FDM Ambato-Boeny
📸✍️ Zandrikely Konka

Related Post

𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐓𝐎𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 « 𝐏𝐑𝐎𝐉𝐄𝐓 𝐃𝐑𝐎𝐍𝐄”

Posted by - mars 16, 2024 0
𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐓𝐎𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 « 𝐏𝐑𝐎𝐉𝐄𝐓 𝐃𝐑𝐎𝐍𝐄” 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐓𝐒𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐅𝐎𝐃𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐁𝐈𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐀𝐑𝐎-𝐃𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 ———————————- Faritra sy District saro- dalana maro no misitraka…