Manatanteraka fitsidihana any aminβny faritra avaratrβi Madagasikara ny Tale Jeneraly ny Polisim-pirenena, Commissaire Divisionnaire de Police TSARAMONINA RAVONY Jean Victor. Tafiditra ao anatinβny fandaharam-potoana ny fijanonany ao Ambanja, izay natao indrindra hampandrosoana ny fifandraisana sy fokonolona eo anivonβny sehatry ny filaminam-bahoaka.
Nandritra ny fihaonana dia nanazava ny Tale Jeneraly fa tanjona fototra ny fampitana sy fampiharana eny ifotony ny vina napetraky ny Ministera. Anisanβny teboka naroso :
Fanamafisana ny foto-kevitra hoe βPolisy mamaha olana, fa tsy fitaovana mampitahotraβ.
Famerenana ny fitokisanβny vahoaka aminβny Polisim-pirenena sy ny fanjakana.
Fanitsiana sy fanarenana ireo lesoka aminβny fomba fiasa, ary fanatsarana ireo efa mandeha tsara.
Fananganana endrika Polisy manakaiky vahoaka, mendrika, manana toetra sy fahaiza-manao mirindra.
Nodinihina manokana ihany koa ny lafiny momba ny Police de la Route, indrindra ny rafitra vaovao sy ny torolalana entina manatsara ny filaminana sy ny fandehananβny fifamoivoizana.
Nandray anjara sy nanotrona ny fihaonana ny solontenanβny Zandarimaria Nasionaly, ho mariky ny fiaraha-miasa sy firaisankina eo aminβireo andrim-panjakana miaro ny fandriam-pahalemana.





