FAMETRAHANA MILINA FANODINANA VOAMAINA HO LAFARINA ANY AMBATOBOENY

190 0

FARITRA BOENY DISTRICT AMBATO-BOENY

Tafapetraka ao Ambatoboeny ny milina fanodinana voamaina ho lasa lafarina, ka anisan’izany ny Lojy izay mampalaza an’Ambatoboeny.

Tamin’ny “Appel à manifestation d’intérêt” avy amin’ny tetikasa ODOF na “One District, One Factory” no nahazon’ireo mpandraharaha ao an-toerana ity milina ity.

« Ny tanjona dia ny hanampy ny mponina hahazo vokatra vita eto an-toerana, hamorona asa ho an’ny tanora, ary hanamafy fiaraha-miasa amin’ireo koperativa » hoy ny Talem-paritry ny Fampiroborobona ny Indostria.

« Andraikitray ny nanatitra ny fitaovana taty an-toerana no sady manara-maso ny fandrafetana ilay milina sy ny fotodrafitrasa hitoerany ary ny herinaratra hanodinana azy » hoy atrany n’y fanazavany .

FDM: AMBATOBOENY
📸✍️ ZANDRIKELY KONKA

Related Post

𝗛𝗖𝗗𝗗𝗘𝗗 : 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗝𝗮𝗺𝗲𝘀 𝗥𝗮𝗺𝗮𝗿𝗼𝘀𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬

Posted by - février 2, 2024 0
 𝗛𝗖𝗗𝗗𝗘𝗗 : 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗝𝗮𝗺𝗲𝘀 𝗥𝗮𝗺𝗮𝗿𝗼𝘀𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬 Tontosa, ny alakamisy 1 febroary 2024, ny fifidianana ny solotenan’ny Ordre…

Akon’ny 26 Jona 2025 | Kaominina Ambanivohitra Befasy

Posted by - juin 28, 2025 0
𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐁𝐄𝐅𝐀𝐒𝐘 , 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 𝗡𝗜𝗔𝗩𝗔𝗞𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗘𝗧𝗜𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗜𝗧𝗬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟱 𝗜𝗧𝗬 Nanomboka ny faha 19 Jiona…