FAMETRAHANA MILINA FANODINANA VOAMAINA HO LAFARINA ANY AMBATOBOENY

13 0

FARITRA BOENY DISTRICT AMBATO-BOENY

Tafapetraka ao Ambatoboeny ny milina fanodinana voamaina ho lasa lafarina, ka anisan’izany ny Lojy izay mampalaza an’Ambatoboeny.

Tamin’ny “Appel à manifestation d’intérêt” avy amin’ny tetikasa ODOF na “One District, One Factory” no nahazon’ireo mpandraharaha ao an-toerana ity milina ity.

« Ny tanjona dia ny hanampy ny mponina hahazo vokatra vita eto an-toerana, hamorona asa ho an’ny tanora, ary hanamafy fiaraha-miasa amin’ireo koperativa » hoy ny Talem-paritry ny Fampiroborobona ny Indostria.

« Andraikitray ny nanatitra ny fitaovana taty an-toerana no sady manara-maso ny fandrafetana ilay milina sy ny fotodrafitrasa hitoerany ary ny herinaratra hanodinana azy » hoy atrany n’y fanazavany .

FDM: AMBATOBOENY
📸✍️ ZANDRIKELY KONKA

Related Post

Fiarovam-pirenena — Fanavaozana lehibe eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena

Posted by - novembre 16, 2025 0
𝐅𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 — 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐙𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐢𝐦𝐚𝐫𝐢𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 Hoentina manakaiky kokoa ny vahoaka sy hamaly ny filàn’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao…