Maevatanàna an-tampon-tanàna: Nanao fanambarana hanao hetsika fitakiana am-pilaminana

108 0
Maevatanàna an-tampon-tanàna: Nanao fanambarana hanao hetsika fitakiana am-pilaminana mahakasika ny olan’ny jiro sy rano tapatapaka lava ny solotenan’ny mpandraharaha sy ny tanora aty an-toerana.
👉 Niantso mpanao gazety ireo solotenan’ny mpandraharaha sy ny tanora eto Maevatanàna, mahakasika ny olan’ny jiro sy rano tapatapaka lava aty an-toerana.
👉 Nanome 24 ora mba hamahan’ny tompon’andraikitra eto amin’ny renivohim-paritra Betsiboka amin’ny resaky ny olan’ny jiro sy rano tapatapaka lava, ireo solotena voalaza etsy aloha no nanamafy izany tao anatin’ny fanambarana fa hatao rahapitso Alakamisy faha 02 Oktobra taona 2025, manomboka amin’ny telo ora tolakandro ny hetsika am-pilaminana, izay hataon’izy ireo miainga eny amin’ny  » Rond point  » eo akaikin’ny kianjan’ny 29 Marsa no sady mihodina ny tanàna.
👉 Talohan’izao fanambarana natao izao dia efa nanatitra ny taratasy fahazoan-dalana, teny amin’ny lapan’ny faritra Betsiboka sy ny tao amin’ny prefekitiora mba hanao ny hetsika am-pilaminana ireto farany, saingy mbola tsy nahazo fankatoavana avy amin’ireo tompon’andraikitra tandrify.
👉 Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa miantso ny mpitandro ny filaminana hatrany, ireo solotenan’ny mpandraharaha sy ny tanora misitraka jiro sy rano tapatapaka lava mba ho tonga eny kianja hijery, izay mety hisian’ny fandrobana sy fananaraotana mandritra ny tolona. Nilaza ihany koa ireto mahery fo eto Maevatanàna ireto, fa lasa vidin’ny mponina isam-pokontany indray ny rano avy amin’ny  » Kamiao Citerne mizara rano maimaimpoana teo aloha. « 
✍️ Zandry be Tantely

Related Post

𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘

Posted by - janvier 14, 2024 0
𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘 — Taxi brousse mpitatitra olona avy any Ambositra hankany Fianarantsoa io atoandro…