Tsararano Ambany – Mahajanga
Mpifankatia misera rongony voasambotry ny polisy.

416 0

Rongony efa vita anatina fonosana miisa 99 sy rarany milanja fahefan-kilao no saron’ny polisim pirenana tao amina tokatrano iray teny Tsararano Ambany vakim-paritra C, ny 11 aogositra 2025.

Mbola tafatsoaka ireo olona miisa 2, mpifankatia ( lahy 22 taona sy vavy 15 taona )  mpisera ireto rongony ireto saingy nohon’ ny fahaiza-manaon’ny polisim-pirenena dia sarona teny an-tafia Marovoay raha iny an-dalana hanohy ny fitsoahana hihazo an’i Manaratsandry izy ireo omaly faha 13 aogositra 2025.

Aorian’ny famotoran’ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny boriborin-tany faharoa Mahabibo – Mahajanga dia hatolotra avy hatrany ny fampanoavana ireto mpifankatia mpisera rongony ireto.

AMPISAFIN’I BOENY

Related Post

PREFECTURE TOLIARA

Posted by - mars 20, 2024 0
💥 Tonga hanamafy ny fiaraha miasa izay efa nisy nadritra ny 20 Taona ny Firenena Japone, amin’ny alalan’i ABE Koji…