Tsararano Ambany – Mahajanga
Mpifankatia misera rongony voasambotry ny polisy.

41 0

Rongony efa vita anatina fonosana miisa 99 sy rarany milanja fahefan-kilao no saron’ny polisim pirenana tao amina tokatrano iray teny Tsararano Ambany vakim-paritra C, ny 11 aogositra 2025.

Mbola tafatsoaka ireo olona miisa 2, mpifankatia ( lahy 22 taona sy vavy 15 taona )  mpisera ireto rongony ireto saingy nohon’ ny fahaiza-manaon’ny polisim-pirenena dia sarona teny an-tafia Marovoay raha iny an-dalana hanohy ny fitsoahana hihazo an’i Manaratsandry izy ireo omaly faha 13 aogositra 2025.

Aorian’ny famotoran’ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny boriborin-tany faharoa Mahabibo – Mahajanga dia hatolotra avy hatrany ny fampanoavana ireto mpifankatia mpisera rongony ireto.

AMPISAFIN’I BOENY

Related Post

RAHARAHA FANAPOHANA SOLIKA

Posted by - octobre 22, 2024 0
Olona 24 tompon’antoka no voasambotry ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam_pirenenana taorian’ny fidinana ifotony natao tamina tokatrano 10…