Andranovorivato, 01 Aogositra 2025 โ Sehatra iray mihatraika mivantana aminโny sosialim-bahoaka no natrehanโny mponina tao aminโny Kaominina Andranovorivato, Distrikanโi Vohibato, rehefa nisy tohana ara-tsosialy lehibe natolotry ny Fitondram-panjakana, tamin’ny alalanโny Ministeranโny Mponina sy ny Firaisankina.
Tokantrano 500 ahitana olona marefo, toy ny Zokiolona, ny manan-kilema ary ireo sahirana ara-pivelomana, no nisitraka izany fanampiana izany. I Ramatoa ๐ผ๐ช๐ง๐ฬ๐ก๐๐ ๐๐๐ฏ๐๐๐๐ฃ๐๐๐ฉ๐ค, Minisitry ny Mponina, no nitondra mivantana ireo tohana ka anisan’izany ny:
โข PPN (menaka, savony, siramamy, ronono Nestlรฉ, cafรฉ, voamaina),
โข vary
โข bodofotsy (lamba firakotra).
Tontosa taminโity fotoana ity ihany koa ny fitokanana ny biraonโny Kaominina Andranovorivato, izay manara-penitra sy afaka hanome tolotra haingana sy mahomby ho anโny vahoaka. Nanotrona ny lanonana ireo manam-pahefana eo an-toerana, ireo solontenam-panjakana ary ny mponina aminโny manodidina, izay naneho fahafaliana sy fankasitrahana.
โTsy afaka mandroso aminโny tena fandrosoana ara-toekarena isika raha tsy miara-miahy sy mandray an-tanana ny fiainanโireo marefo. Izany indrindra no antonโizao fandraisana andraikitra izao,โ hoy ny nambaranโny Minisitry ny Mponina nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony.
Fametrahana fototra ho anโny fiahiana ara-tsosialy
Tanjona lehibe aminโity hetsika ity, hoy hatrany ny Ministra, ny fanamafisana ny firaisankina sy ny ady aminโny fahantrana any ifotony, indrindra aminโizao vanim-potoana iatrehana fikorontananโny toekarena izao. Nampanantena ihany koa ny fitohizanโny fiahiana toy izao any aminโireo kaominina hafa manerana ny faritra.
Nangoninโi Ando Rafahatelo




