Soamandroso/Antanimbary ( RN4): Malaza mitrongy tany fambolem-bary ny mponina amin’ny » Engins » ireo teratany Sinoa mitrandraka volamena any an-toerana.
Nanakohako nandritra ny andro maro tamin’ny alalan’ny feo niely etsy sy eroa ny fitrandrahana volamena miampy fanampotehana tany fambolem-bary ny mponina amin’ny » Engins, » any amin’ny fokontany Soamandroso, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, izay nataon’ireo Sinoa Kely maso tsy fantam-pihaviana.
Nohon’io tranga io dia nidina nijery ny zava-misy tany an-toerana ny tompon’andraikitra misahana ny harena an-kibon’ny tany ato anatin’ny faritra Betsiboka sy ny ben’ny tanàna miandraikitra iny faritra iny, ny lehiben’ny Zandary any Antanimbary. » Tamin’izany indrindra no nametrahana lamina sy marimaritra niraisana tamin’ireo Sinoa Kely maso sy ny mponina tompon’ilay tany fambolem-bary, ary ny fampifantarina ny roa tonta ny lalàna mifehy ny fitrandrahana. Etsy an-daniny dia milaza ny tompon’andraikitra misahana ny harena an-kibon’ny tany fa ara-dalana ny taratasy ahafan’ireo Sinoa mitrandraka volamena any amin’ny toerana voalaza etsy aloha.
Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa dia manao izay tiany atao amin’ny fitrandrahana, any amin’iny faritra iny ry zalahy Sinoa Kely maso.
Voafidy ho filoha lefitry ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana (UNGA) faha-79 i Madagasikara mandritra ny fe-potoam-piasana hanomboka ny volana septambra 2024…
Ny sabotsy 20 jolay no notanterahina tao amin’ny fokotany Madiokely izay efi-tany mampisaraka ny distrikan’i Tsiroanomandidy sy Miandrivazo ary Mandoto…