๐Œ๐Ž๐‘๐Ž๐๐ƒ๐€๐•๐€: ๐€๐“๐‘๐ˆ๐Š๐€๐’๐€๐Œ-๐๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐‘๐„๐‚๐Ž๐’ ๐Œ๐ˆ๐Š๐€๐’๐ˆ๐Š๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐€๐‘๐Ž๐•๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐Œ๐Ž๐‘๐Ž๐๐“๐’๐ˆ๐‘๐€๐Š๐€

154 0

โœ…Tontosaina eto Morondava, nanomboka androany faha 22 ka hatraminโ€™ny 25 Jolay 2025 ao aminโ€™ny Hรดtel Laguna Beach, ny atrikasam-paritra karakarainโ€™ny Commission de lโ€™Ocรฉan Indien (COI) aminโ€™ny alalanโ€™ny tetikasa RECOS (Rรฉilience des populations et des รฉcosystรจmes cรดtiers du Sud-Ouest de lโ€™Ocรฉan Indien). Ity atrikasa ity dia mikendry ny fanaraha-maso sy fitantanana ny morontsiraka manoloana ny fiovaovanโ€™ny toetrโ€™andro, ary andraisanโ€™ireo manampahaizana sy solontena avy aminโ€™ny firenena dimy ato aminโ€™ny faritra Ranomasimbe Indiana Atsimo Andrefana ahitana an’i Komoro, Madagasikara, Maorisy, La Rรฉunion ary Seychelles anjara.

๐Ÿ“ŒAraka ny fanazavanโ€™i Andriamatoa Christophe Legrand, mpandrindra ny tetikasa RECOS, dia tanjona ny fanamafisana ny fahaizanโ€™ny mponina sy ny tontolo voajanahary miatrika ny loza ateraky ny fiovaovanโ€™ny toetrโ€™andro sy ny fahasimbanโ€™ny morontsiraka ka โ€œMiezaka izahay mampiditra vahaolana mifangaro aminโ€™ny voajanahary sy fomba maharitra, ary hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-tsiantifika,โ€ hoy izy.

โ–ถ๏ธNotsindrianโ€™ny Governoranโ€™ny Menabe fa tena saro-pady ny morontsiraka eto Morondava aminโ€™ny fidiranโ€™ny rano sy ny fahasimbanโ€™ny tany ka โ€œMila mandray andraikitra miaraka isika, indrindra aminโ€™ny fampahafantarana ny vahoaka sy fanentanana aminโ€™ny fiarovana ny morontsiraka,โ€ hoy izy.

๐Ÿ‘‰Nanamafy izanyย  Andriamatoa Ihaja Rajaonarison, directeur de partenariat et relations institutionnel eo anivonโ€™ny Ministeranโ€™ny Fanajariana ny tany, fa โ€œNy angon-drakitra farany dia mampiseho fitomboanโ€™ny fiantraikanโ€™ny fiovaovanโ€™ny toetrโ€™andro aminโ€™ny morontsiraka. Manantena izahay fa hitondra vahaolana maharitra ity atrikasa ity, indrindra aminโ€™ny fisorohana ny fahapotehanโ€™ny tany sy ny fanatsarana ny fomba fiarovana.โ€

โ™ฆ๏ธNy tetikasa RECOS moa dia niatomboka taminโ€™ny 2022 ary haharitra hatraminโ€™ny 2026 , izay tantaninโ€™ny COI, miaraka aminโ€™ny famatsiam-bola avy aminโ€™ny AFD (Agence Franรงaise de Dรฉveloppement) sy ny FFEM (Fonds Franรงais pour lโ€™Environnement Mondial) , ary ny tanjony dia ny hanamafisana ny fahaizanโ€™ny mponina manamorona ranomasina miatrika ny fiovaovanโ€™ny toetrโ€™andro, aminโ€™ny fanatsarana ny serivisy ara-tontolo iainana omenโ€™ny tontolo voajanahary.
Anisanโ€™ny tanjonโ€™ny tetikasa ny fanohanana tetikasa 13 ato aminโ€™ny faritra COI, ka tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa ato Menabe momba ny fiarovana ny mponina aminโ€™ny fikorontananโ€™ny toetrโ€™andro sy ny fahasimbanโ€™ny morontsiraka. Ity atrikasa ato Morondava ity dia tafiditra ao aminโ€™ny sehatra ara-tsiantifika anโ€™ny RECOS, ao anatinโ€™ny vondrona iombonana faritra momba ny fanaraha-maso sy fitantanana ny morontsiraka.
Ny delegasiona Malagasy dia ahitana ny Ministeranโ€™nyย  Fanajariana ny tany, ny FTM, ny Oniversitenโ€™Antananarivo, ny Komity faritra GIZC ato Menabe, ary koa ny Kaominina Morondava, Nosy Be ary Sainte Marie.

๐Ÿ‘‰Tanjona aminโ€™ity Atrikasa ity moa :
– Fifanakalozana traikefa momba ny fomba fitantanana ny morontsiraka
– Fizarana traikefa aminโ€™ny ady aminโ€™ny fiovaovanโ€™ny toetrโ€™andro sy ny risika eny aminโ€™ny morontsiraka
– Fisainana vahaolana mifangaro sy voajanahary
– Fametrahana fototra ho anโ€™ny rafitra fanaraha-maso iraisana sy mifanaraka aminโ€™ny faritra
– Fanohanana ny fanatanterahana ny asa fanohanana etoย  Morondava
– Fanamafisana ny fahaizanโ€™ny mpisehatra eto an-toerana, anisanโ€™izany ny komity faritra GIZC.
โœ๏ธRA PA
22/07/25

Related Post

๐Œ๐€๐๐€๐Š๐€๐‘๐€ | ๐Œ๐ˆ๐‘๐Ž๐๐†๐€๐“๐‘๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐Ž๐‘๐„๐๐€๐๐€ ๐“๐’๐˜ ๐Œ๐€๐๐€๐‘๐€-๐ƒ๐€๐‹๐€๐๐€

Posted by - septembre 26, 2024 0
Tena azo atao ve sa ยซย ๐œ๐จ๐ง๐ฌ๐ญ๐ซ๐ฎ๐œ๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐ข๐ฅ๐ฅ๐ข๐œ๐ข๐ญ๐žย ยป ity รฉtage Kely miforona ao bazar ity? Araka ny heno mantsy dia tsy…

Amparafaravola, nitrangana Kidnaping

Posted by - juin 5, 2024 0
๐‹๐€๐‡๐ˆ๐‹๐€๐‹๐˜ ๐‘๐Ž๐€ ๐‹๐€๐’๐€๐’๐๐˜ ๐Œ๐๐€๐๐€๐Ž ๐Š๐ˆ๐ƒ๐๐€๐๐๐ˆ๐๐† ๐“๐€๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐’๐๐˜ ๐Š๐€๐Ž๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐๐€ ๐€๐Œ๐๐Ž๐ƒ๐ˆ๐‘๐€๐๐Ž/๐ƒ๐ˆ๐’๐“๐‘๐ˆ๐Š๐€๐’๐€๐Œ๐๐€๐‘๐€๐…๐€๐‘๐€๐•๐Ž๐‹๐€ Ny alin’ny Talata 04 Jona 2024 tokony ho tamin’ny sivy ora…