π’πšπ¦π›π¨ 𝐀.𝐖: 𝐓𝐬𝐲 𝐦𝐛𝐨π₯𝐚 𝐑𝐒𝐭𝐚 π‘πšπ­π«πšπ¦π’π§β€™π§π² πŸπŸ“ 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐚𝐭𝐲 𝐚𝐨𝐫𝐒𝐚𝐧𝐚

122 0
Mahajanga – Efa tapa-bolana izao no tsy hita popoka ilay sambo mitondra ny anarana A.W, izay niainga avy ao Mahajanga ho any Anjouan (Komoro) niaraka tamin’ny mpandeha miisa 30. Na dia efa natao aza ny fikarohana an’habakabaka sy an-dranomasina, dia mbola mitohy hatrany ny mistery manodidina ny nanjavonany.
Araka ny loharanom-baovao azo taorian’ny fivoriana niarahan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, dia handefa fiaramanidina roa avy amin’ny Tafika Maorisiana rahampitso, ho fanampiana amin’ny fikarohana.
Ireo teknisianina sy manampahaizana momba ny fifamoivoizana an-dranomasina dia mamoaka vinavina maromaro:
– mety maty motera teny an-dranomasina, na nogiazan’ny jiolahin-dranomasina.
Tsy misy manamafy izany ahiahy anefa hatreto ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, fa miandry valin’ny fikarohana hentitra sy fanamafisana avy amin’ny manam-pahefana nyrehetra.
Andaniny, miandry am-pitoniana anaty tebiteby ny fianakavian’ireo olona ao anaty sambo, ary manantena hatrany ny hahita na haheno vaovao mivaingana mahakasika ity raharaha ity.
Mitohy hatrany ny fikarohana, ary antenaina hisy fanazavana mazava ao anatin’ny ora na andro vitsy ho avy.
✍️‘Lay Mahitsy

Related Post

SEKOLY AMBONY KATOLIKA ASJA MORAMANGA

Posted by - octobre 1, 2024 0
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy n’y Alatsinainy faran’ny volana septambra teo ny « universitΓ© catholique ASJA MoramangaΒ Β», sekoly Ambony eo ambanin’ny fiahian’i…

π…πŒπ€π€π“πŒ πŒπ€π‡π€π‰π€ππ†π€ – 𝐓𝐬𝐲 𝐑𝐨 𝐬𝐚𝐑𝐒𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 πŸπ’π€πšπ¦π›πšπ§πšπ§πš 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨π₯𝐚𝐯𝐨π₯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐦𝐲 𝐦𝐩𝐒𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚

Posted by - juin 22, 2024 0
π…πŒπ€π€π“πŒ πŒπ€π‡π€π‰π€ππ†π€ – 𝐓𝐬𝐲 𝐑𝐨 𝐬𝐚𝐑𝐒𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 πŸπ’π€πšπ¦π›πšπ§πšπ§πš 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨π₯𝐚𝐯𝐨π₯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐦𝐲 𝐦𝐩𝐒𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 (Nisitraka fampitaovana mamaly filana…