π…πšπ§π¨π‘πšπ§πšπ§πš 𝐧𝐲 π’πžπ«πšπ¬πžπ«πš: π…π’π­πšπ¨π―πšπ§πš 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐑𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐒𝐧𝐨 𝐚𝐦𝐚𝐧-𝐣𝐞𝐫𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 πšπ§β€™π’ 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐒𝐀𝐚𝐫𝐚

70 0
Ho fanamafisana ny ezaka fanentanana sy fampandrosoana an’i Madagasikara, dia nisy andiana fitaovana natolotra ho fanohanana ireo fantsona fifandraisana sy haino aman-jery eto amin’ny firenena.
Anisan’ny fitaovana noraisina androany ny solosaina avolenta, vata fahitalavitra, fakan-tsary mihetsika, ary β€œtable de rΓ©gie”, izay ho fanatsarana ny kalitaon’ny famokarana sy ny fandraisam-peo amin’ny endrika nomerika. Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, no nandray izany tamin’ny fomba ofisialy.
Ireo fitaovana ireo dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay nanolotra izany ho fanohanana ara-teknika sy ara-pitaovana ho an’ny haino aman-jerim-panjakana.
Ho an’ny fanapariahana mivelatra sy mitovy lenta, dia hisitraka izany ireo rantsa-mangaikan’ny minisitera manerana ny faritra. Nambaran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina fa andrasana ihany koa ny fandraisana anjaran’ireo haino aman-jery tsy miankina, indrindra ireo mandray anjara mavitrika amin’ny sehatry ny fanabeazana, fahasalamana ary kolontsaina.
β€œEzahina ny hanome lanja sy hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo haino aman-jery rehetra miara-miombon’antoka amin’ny fanabeazana sy fampandrosoana ara-tsaina sy ara-kolontsaina eto Madagasikara,” hoy Ramatoa 𝐌𝐚𝐫𝐚 𝐕𝐨π₯𝐚𝐦𝐒𝐫𝐚𝐧𝐭𝐲 πƒπ¨π§π§πš nanamafy.
Nangonin ‘Lay Mahitsy
πŸ“· : MSK

Related Post

Fahavitantena ara-tsakafo

Posted by - septembre 11, 2024 0
Ny fahavitantena ara-tsakafo dia fototra iray hiankinan’ny fampandrosoana ny firenena. Teto Changsha no nitsidihanay mivady ny parc de Riziculture Longping.…

ππ‘π„π…π„πŠπ“πˆπŽπ‘π€π’𝐈 π“πŽπ‹πˆπ€π‘π€

Posted by - avril 17, 2024 0
𝑭𝑨𝑴𝑬𝑻𝑹𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑷𝑨𝑯𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑡𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑳𝑢𝑯𝑨, 𝑴𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑹𝒀 𝑨𝑢𝑹𝑰𝑨𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑰𝑫𝑰𝑨𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑡𝑨𝑻𝑨𝑡𝑻𝑬𝑹𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑡𝒀 𝑷𝑢𝑳𝑰𝑻𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑡𝑲𝑨𝑷𝑢𝑩𝑬𝑡𝒀 𝑡𝒀 𝑭𝑨𝑡𝑱𝑨𝑲𝑨𝑡𝑨 𝑰𝒁𝑨𝒀 𝑴𝑰𝑭𝑨𝑡𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑨𝑴𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑡𝑢𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑢𝑯𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑹𝑬𝑡𝑬𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑴𝑬𝑹𝑬𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑰𝑡𝑫𝑹𝑨𝒀…