𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – 𝗧𝗦𝗬 𝗛𝗒 π—¦π—”π—›π—œπ—₯𝗔𝗑𝗔 π—”π— π—œπ—‘`𝗑𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗒𝗔𝗛𝗔𝗠-π—•π—’π—žπ—”π—§π—₯𝗔 𝗑𝗬 𝗧𝗔𝗑𝗧𝗦𝗔𝗛𝗔 π—”π— π—•π—’π——π—œπ—•π—’π—‘π—”π—₯𝗔 𝗣𝗒𝗑𝗧 π—¦π—’π—™π—œπ—”, π—©π—œπ—§π—” 𝗑𝗬 π—Ÿπ—”π—Ÿπ—”π—‘π—”, 𝗑𝗔𝗛𝗔𝗭𝗒 π—žπ—”π——π—’π—” π— π—”π—‘π—’π—žπ—”π—‘π—” 𝗑𝗒𝗛𝗒𝗑`𝗑𝗬 π—˜π—­π—”π—žπ—” π—©π—œπ—§π—” π—œπ—­π—¬ π—œπ—₯π—˜π—’

40 0
Nahavita adidy amin`ny fanamboaran-dalana ahafahana mamoaka vokatra mankao Pont Sofia ny vahoaka ao Ambodibonara kaominina Pont Sofia distrikan`i Mandritsara. Fotoana maro no nifandrimbonan`izy ireo tamin`izany, afaka mivezivezy ny sarety, ny fiara mitatitra vokatra amin`izao.
Tsapan`ny mpitondra eo anivon`ny kaominina ny ezaka lehibe vita izay ka nomen`ny ben`ny tanana, Jean-Yves FranΓ§ois, fanomezana manokana ny vahoaka ao Ambodibonara. Fahitalavitra 42″, kit Canal+, Vato aratra lehibe ary takelaka manome herinaratra avy amin`ny masoandro no nomena azy ireo, natoka hialana voly izy ity satria mangetaheta izany ny mponina. Nidina ifotony talin`ny tanana ity ny ben`ny tanana omaly alarobia 4 jona nanolotra fampitaovana ireto.
Taloha, omby no atolotra fokonolona, rehefa hanao asa tanamaro, somary niova amin`izay fomba izay ny ben`ny tanana ka mankasitraka ny ezaka goavana toy izao.
Nilaza ireo mponina amin`ny tanana ity fa havitrika hatrany amin`ny fandraisana anjara amin`ny asa fampandrosoana.
Nangonin`Uni Raz

Related Post