RN4: Fiara taksiborosy rezionaly nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalana.

359 0
RN4: Fiara taksiborosy rezionaly nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalana. Olona iray no maty, ary mpandeha 11 naratra.
πŸ‘‰ Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra PK 274+500, tao amin’ny fokontany Tsararano, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i MaevatanΓ na ny Alahady faha 25 May taona 2025 lasa teo iny, tokony tamin’ny telo ora sy sasany tolakandro.
πŸ‘‰ Ny angom-vaovao voaray hatrany no nahalalana fa fiara taksiborosy rezionaly avy namonjy tsena tao Antanimbary hihazo an’Andriba no nifandona tampoka tao anaty fiolanana, tamin’ny fiara tsy mataho-dalana ( plaque rouge) avy any atsimo. Vokany: olona iray no maty tsy tra-drano, raha mpandeha 11 naratra, ka noentina notsaboana nalaky ao amin’ny CSB2 Antanimbary avy hatrany.
πŸ‘‰ Ny fanamarinam-baovao kosa no nilaza fa tena hadisoan’ilay fiara taksiborosy rezionaly nahatonga ny lozam-pifamoivoizana teto, satria nandeha mafy sy somary nangalatra ny lalana hizoran’ny fiara tsy mataho-dalana ity farany. Taorian’ny ny zava-nitranga dia efa nanao fizahana teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana misahana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena fahefatra.
πŸ‘‰ Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa mbola tsy nahazoana vaovao kosa makasika an’ilay fiara tsy mataho-dalana na amin’ny sehatr’asa mpanjakana inona no misy azy.
Nagonon’i Zandry be Tantely

Related Post

Toamasina, zaza tsy ampy taona nifanao valifaty

Posted by - novembre 23, 2024 0
π“π«πšπ§π πšπ¦-𝐩𝐒𝐚𝐫𝐚𝐑𝐚𝐦𝐨𝐧𝐒𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐲 ππžπ­πšπ’π§π¨π¦π›π²: 𝐀𝐧𝐀𝐒𝐳𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐚𝐦𝐩𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐒𝐟𝐚𝐧𝐚𝐟𝐒𝐀𝐚 𝐀𝐚 𝟐 𝐧𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐒𝐫𝐚𝐲 𝐦𝐒𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐭𝐚𝐧𝐲. Samy mbola mpianatra…