📌 “Misy Andriamanitra, misy fa tsy hita vatana! Misy hono izy fa any ambony tsy taza-maso any; Dia inona ihany izany no mampisy azy raha tsy azo tsapain-tĂ nana izy? Aaa, tsy misy andriamanitra e, fandemen-tsaina fotsiny izany, fitadiavam-bola koa! Misy ve Izy dia hisy fahoriana toa izao, maninona no mahazo vahana ny ratsy?” Korontan’eritreritra niparitaka tao an-tsaiko ety an-dalam-podiana daholo ireo.
📌 Alan-kininina sy grevillea no namako mamakivaky ity toeram-pahanginana lalovako ity. Antsy sy angady eo an-tsoroka, pataloha rovi-dohalika nafatotra tady no eo am-balahana mba tsy hiborotsaka, satroka be ravina miampy lamba makarakara fanaromana tarehy no eny an-doha. Tsiron’ny avy nikarakara tantely io, io mantsy no hany fivelomako; hody fa harivariva ny andro, Manakara hodiana rahateo mbola misy iray na roa ora am-pandehanana vao ahatongavana. Rehefa tafavoaka ilay ala mikitroka dia arabe migodana indray no lalovana, indreny ny mpandeha sarety fa mikisaka mora tsy taitaitra eny, iry ny mpitondra kalesy feno kitay sy saribao fa mamindra miadanadana ka rehefa vizana dia mijanona kely; Mirifatra tsy miato kosa ny mpandeha fiara satria izy no tompon’ny lĂ lana. Roso ny dia, ny fotoana koa nihodina, tsy tsarotsaroana akory dia iry fa tazana ny tranon-dRadesy eo andrefanay. – Ao ambadik’io izay ny ao aminay… hoy ny tao an’eritreritro sady navitribitrika famindra amin’izay. Angamba fito na im-balo mandingana tsy hidirako ny trano, injao feon’olona maromaro mihorakoraka ao alohaloha ao, somary nijanona kely aho nihaino izay takoritsika tany ho any fa tsy nisy heno akory, dia notohizako ny diako. Indro tangoron’olona mifanaretsaka eo am-baravaranay, gaga aho, inona no ao? Tsy te hieritreri-dratsy na segaondra vitsy monja aho dia nandroso mora hatrany.
📌 Iny izy, omeo lalana izy fa tonga re olona o! Hoy ny sasany. Angamba raha nahatsindrona olona ny fijery, efa rovidrovitra ny vatako tahak’izay satria maso arivo arivo no indray nibanjina ahy ka tafajanona kely indray aho, namerina tany an-tsaiko hoe inona ary no ao? Namindra miadana feno tahotra sy fisalasalana teny aho fa tsy fantatro akory izay hitranga ao, nefa nielina tany anatiko indray mandeha ny hoe sao teraka i Penjy vadiko? Hoy ny vetsovetso tany anatiko niakatra ny tokonam-baravarana.
📌 Io safotra io ny vadinao nohon’ny tsy fanajanao azy, mbola ilaozana manenjika vehivavy any foana! Hoy ny feo somary kely mikarantsana avy any an-dakozia, feo tsy dia vahiny ahy io na tsy tazako aza ny tavan’ilay niteny azy! An’ny rafozam-baviko io. Tsy nasiako valiny akory fa nobetaiko ny vadiko dia naondrana anaty posy ho eny amin’ny tobim-pahasalamana. Taintaina, tebiteby, ahiahy no nifandimby namely totohondry ny eritreritro… Sanatria ve dia hamoy olona roa aho e? Ny vadiko, ny zanako.
📌 Andriamanitra o, ampio aho, nefa… ahoana no anampianao ahy raha ianao tsy misy akory? Tonga dia tany amin’ny efitra fameloman’aina ity mararinay no nivantana, vao nahazo fandriana dia dokotera fito mianadahy no indray nifandrimbona nikarakara azy, vetivety teo indray, niampy mpitsabo enina hafa koa ny tao! Nitsiky aho, nitsiky fa tsara karakara ny vadiko, nisaotra mangina ny tobim-pahasalamana koa satria tena mitsimbina ny ain’ny marary ka mampiasa olona be dia be hitsabo izy ireo. Na izany aza, natongilako ho ao an’efitra ihany ny sofiko mba hihaino izay tranga ao. – Hitanareo rankizy, ohatr’izao ny mampiditra seraoma, hoy ny iray! Hay mpianatra daholo ity miandraikitra ny vadiko, tankina aho, tsy nahavolana. Afaka roa na telo minitra teo, indro nivoaka rasazy mpampianatra nanitsy taty amiko.
📌 Taitaitra aho, nidobodoboka ny fo. – Andriamatoa Maka, efa mahatsiaro tena ny vadinao, tsy maintsy didina faran’izay haingana anefa izy fa ireto ny fanafody ilaina ary tonga dia vidio haingana. Lisi-panafody tokony ho roa takelaka no natolony ahy, ohatrinona no ho vidin’ity? Hoy aho tany an’eritreritro tany. Voavaly avy hatrany anefa io fanotaniako io rehefa tonga tao amin’ny farmasia! Dimy arivo sy efatra hetsy Ariary hono ary tsy atomboka ny fandidiana raha tsy vonona ireo vola ireo. Nantsoiko tsy fidiny ilay Andriamanitra tsy inoako fisiany iny. Roarivo sy iray alina Ariary monja amin’io no faram-bola tato am-paosiko. Vidina tantely dimy amby efapolo litatra izany ilainy amiko izany nefa zara aza raha mahazo folo litatra isam-bolana aho amin’io fiompiana keliko io nefa mbola lanin’ny sakafo daholo izany ka tsy misy voatahiry.
📌 Aiza no halehako, iza no hahavonjy ahy? Ny latsalatsa avy amin’ny rafozana koa etsy andaniny, manohatra noho ny tadio mamely ny tafo efa momoka. Ao ny mitsangana, mbetika mipetraka, indraindray koa mandehandeha eo an-dalatsaran’ny hopitaly eo! Tsy hita izay raisina fa tampina ny daomy. – Andriamanitra o, raha mba misy re Ianao any amin’izay misy Anao any, lazao ahy izay tokony hataoko. Horakoraka ny an’ny sahona, tabataba ny an’ny alika fa ny tena kabary dia ny miady saina irery tsy misy namana izarana alahelo. Maraina teny ny andro, tsy mbola voadidy PENJY satria tsy nahitana mangirana ravola. Dia vitan’ireo mpitsabo tokoa ny nitazam-potsiny ny vadiko notsakotsakoin’ny hotsokotsoka nandritra iny alina iny.
📌 Tsy nisy torimaso akory fa nivadibadika eo ambony farafarakelin’ny hopitaly eo. Maina ny molony, lalina ny masony, ambany dia ambany ny feony! Mbola tsy nahita izay hatao ihany aho. Poa toa izay, indreny olona maromaro niditra tsy an-kiera avy any, rangahy manao kaositara tsaratsara pasoka izay no nitari-dalana azy ireo; velom-bolo indray aho fa hisy mpanampy ara-bola ka vao napetrany teo an-doham-parafara ny kitapony iny dia nasandrany ny feo hoe « Hiara-mivavaka isika » Kivy aho, hay ry Pastora mpampivavaka ny vadiko ireto olona ireto fa tsy mpitondra fanjakana hanome vola araka ny nieritreretako azy! Na tsy tia fivavahana aza aho dia nanatrika tsy fidiny satria tsy nanan-tsafidy intsony.
📌 Rehefa vitany ny vavaka dia hira mankarenin-tsofina izay koa no noredonin-drizareo teo narahin’izay serimaonina lava be mampandry adrisa izay! Nanomboka ho leo aho satria tsy mety tapitra ilay izy kanefa ramatoa vadiko tetsy andaniny, nanomboka nitsiky, toa maivana ny izy ka nanokatra ny molotro hitokelaka kely koa aho am-pihatsaram-belatsihy. Rehefa hody amin’izay ireto vahiny vao namoaka izay valopy avy amin’ny Fiangonana izay, avy eo samy nanome tahaka an’iny avy amin’ny tenany indray ny tsirairay nanatrika teo.
📌 Tsy andriko amin’izay ny hialan’izy ireo tato mba hijereko izay vola voahangona tao. Tsara kay ny mivavaka hoy ny hiran’ny hafaliana tany am-poko. Teo no ho eo dia nahazo telo hetsy Ariary mahery izahay. Tia ny olony tokoa Andriamanitra hoy ny vadiko fa izaho kosa naneso tany anatiko hoe ohatry ny vendrana ihany ireny mpivavaka ireny, mandany volabe aman’olona tsy fantany akory. Tsy tany amin’ny farmasia intsony no nivantanako nitondra ilay vola fa tany amin’ny dokoterabe mpandidy. Nalainy ny kara-panondroko mandram-pahafenoko ny vola dia natombony ny fandidiana. Lasa ny fahefatr’adiny, nanidina ny antsasan’ora… injao feon-jazakely nikiakiaka avy tao amin’ny trano fandidiana. Nitsiky aho, misaotra anao Andriamanitra! Io no andro nahatsapako voalohany ny fisian’izany Mpahary izany, nidoboka an-kafaliana ny fo fa teraka soa aman-tsara ny vadiko. Iray ora teo ho eo, indro ny vadiko navoaky ny dokotera avy any niaraka tamin’irony fandriana misy kodiarana irony, ny zanakay kosa teny an-trotroan-drasazy; hafahafa ny tao an-tsaiko, hay mbola renoky ny fampatoriana fotsiny izy.
📌 Nandresy, nandresy ihany ny vadiko hoy ny horakoraky ny eritreritro na dia resin’ny trosa aza aho. Efitra tsy dia lavitra teo ihany no nasiana anay hiandry ny fahatsiarovan-tenan’i PENJY, rehefa mifoha mantsy izy vao aidina mankany ambany amin’ny efitry ny mpiteraka! Tokony indray nahamasa-bary dia io fa nihiratra ny mason’ilay andefimandriko, ny zanany tety an-trotroako no nantsoiny voalohany ka napetrako teo akaikiny. Avy eo, nibanjina ahy tsara izy, dia nitsiky malefaka ary nihomehy mihitsy! Gaga indray aho nahita ity izy lanaky ny hehy ka velom-panotaniana taminy. Noheveriko fa mbola verivery saina izy tamin’io satria fomban’ny avy nodidiana izany. Noraisiny mora ny tĂ nako havanana dia hoy izy:
📌 Tsy noheveriko ho ianao ilay nandohalika nivavaka ho ahy teo iny malala, tsinjoko ange ianao ao ambadiky ny trano fitaratra mivavabavaka mangina ireny e! Ranomaso mangamanga nikorisa namonto ny tavany no namaranany ny fibanjinana ahy.
📌 Tsy zakako iny fijery maranitra natsatony taty amiko iny ka vaky ratra koa ny foko, niraraka mora namonto ny takolako ny ranon’alahelo tsy tanako. Naviliny nihanavanana ho eny amin’io menaky ny ainay kosa ny masony, “Iza no tianao atao anarany malala? » hoy izy tao anaty feo somary farimparina. – Penjimalala Fifaliako akia, hoy aho nibitsibitsika teo an-tsofiny.
📌 Vao maika faly izy, notazominy mafy hatrany ny tĂ nako, etsy andaniny, raiki-tomany ny zanakay. Tampoka teo, niova ny fijerin’ity vadiko, nivandravandra nahatahotra ery ny masony, vao mainka nofikiriny koa ny tĂ nako … tsy nahateny izy nefa tsapako te hilaza zavatra. Tsy hitako izay ho raisina, ny zanako iroa toran-tomany, ny andefimandriko itsy tsy haiko hoe maninona.
📌 Tokony niantso ny mpitsabo aho saingy tsy navotsotr’i Penjy ny tĂ nako, hany ka antsoantso lavitra sisa azoko natao. – Dokotera a, vonjeo dokotera! Tsy mbola tao ambaravarana akory dokotera dia navotsony mora ny tĂ nany ka io niraviravy ho any ambany fandriana io, nahodiny mora hibanjina an-janany ny tavany dia niakatra ny masony, tsy nahakimpy intsony satria tsy nafoy nibanjina an’i PENJIMALALA hatreny am-para-fofonainy.
📌 Tao anatin’ny roa minitra monja nitsofana ny trompetra farany ho azy dia afaka ny ainy. Tsy nino aho ka nikapokapoka ny takolany, nanindritsindry ny tratrany, nanohoka ny sofiko teo ivavany ndrao hisy fiainana kely ihany tao, nanongotsongo ny ratsan-tongony fa tsy nahare maharary intsony izy, asa nohon’ny anestezia angamba hoy eritreritro tsy mbola nino ny fahalasanany. Nirotsaka ny oran’alahelo, nipoaka ny tsela-kakiviana, nirehitra ny afom-paharesena ka satria tonga fararano mangidy tsy maintsy hatrehin’ny velona rehetra dia ny fahafatesana io. Fararan-tomany no mozika re nandravaka ny efitra fahatelo tao ambony rihana tao. Ranomaso re izao? Tao ny nisaotra an’Andriamanitra fa afa-jaly PENJY, ao ny nanome tsiny fa hoe mbola tanora loatra izy, fa amiko, misy Andriamanitra, tena misy Izy fa manana fandaharana hafa mihitsy itondrana ny olombelona fa ny olona no tsy mahatakatra izay satria ireo heverin’ny olona ho fahatsarana indrindra no fahotana eo imason’Ilay Mpahary. Raha isika olombelona, satritsika hiaina an-drivon-taona ety fa Andriamanitra tompon’ny aina mihitsy no nilaza fa “vovoka ianao ary hiverina amin’ny vovoka indray ianao”. Genesisy 3:19b
© 21 Janvier 2018 | RAFARAVODILANITRAÂ




