FANATSARANA NY FAMBOLENA NAHAZO BARAZY NY DISTRIKAN’NY AMBATOFINANDRAHANA

179 0
Vita soa amatsara ny fitokanana ny tohadrano tao Mahavanona Ambatofinandrahana izay notanterahin’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana tamin’ny alalan’ny fitaleovam-paritry ny fambolena sy fiompiana Amoron’i Mania sy ny fandraisana anjaran ny fokonolona tao an- toerana ary ny faritra Amorin’i Mania izay novatsian’ny FDA ka hanondraka tanim-bary 160Ha eo ho eo ao anatiny fokotany 04 izao moa no tanteraka dia nohon’ny ezaka nataon’ny solombavambahoakan’ny Madagasikara izay voafidy tato amin’ny Distrikan’ny Ambatofinandrahana hatrany mba hampitomboana ny voka-bary ato anatin’ny Distrika AMBATOFINANDRAHANA ka tsy mikelisoroka izy mitady vahaolana mahakasika ny fambolena sy fiompiana ary ny fandriam-pahalemana ka nisaotra ny fitondrana foibe izay tarihin’ny filoha ndry Rajoelina mijery akaiky ary manohana hatrany ny Tantsaha Malagasy amin’ny alalan’ny fisian’ny FDA sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana ary hirariana ny hitohizan’izao hoy Andriamatoa solombavambahoaka Richard Razafindrabary.

Related Post

“𝐓𝐬𝐲 𝐫𝐚𝐫𝐢𝐧𝐲!” — 𝐓𝐨𝐯𝐨𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐥𝐚𝐬𝐢𝐛𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐢𝐬𝐞𝐭𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚

Posted by - octobre 5, 2025 0
𝗙𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮 : 𝗧𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼𝗲 𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗺𝗶𝗵𝗶𝘁𝘀𝘆 𝘃𝗲́ 𝗿𝘆 𝗠𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗳𝗶𝗹𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝘀𝗮𝗿𝘆 𝘁𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗵𝗮𝘀𝗲𝗵𝗼𝗻𝗮𝘆 ?? Tovovavy mpianatra iray eny amin’ny…