ππ„π‹πŽ 𝐒𝐔𝐑 π“π’πˆπ‘πˆππˆπ‡πˆππ€ : πŒπˆπ“π€π‘π€πˆππ€ πˆπ‘π„πŽ 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀 πŒππ€πŒππŽπ‹π˜ π„πŽ π€πŒππˆπ“π€π’𝐍𝐘 ππ„π†πŽπƒπŽπ†πŽ ππŽπ‡πŽπ’𝐍𝐘 π…π€ππŽπŒππ€ππ€ 𝐍𝐘 π•πŽπŠπ€π“π‘’πˆπ™π˜ πˆπ‘π„πŽ .

13 0
▢️ Nohon’ny hetraketraka amin’ny fanimbana ny voly izay atao amin’ ireo tantsaha mamboly eo ampitan’ny Begodogo ao Belo sur Tsiribihina izay ataon’ny Mpitandro filaminana iray efa misotro rorono dia mitaraina sy manao antso avo izy ireo satria dia nosimbainy avokoa ny vokotr’izy ireo ary mbola kasain’ity Polisy efa misotro ronono ity hifampizarana aminy ny vokatr’ireo tantsaha ka izay tsy mety mizara ny vokatra aminy dia sombainy ny vokatra.
▢️ Ny antony dia milaza izy fa azy ny tany ka tsy maintsy mizara aminy ireo tantsaha mamboly eo, satria milaza ity Polisy ity fa azy ny tany,nefa dia ao ireo efa ela no nanofa ao koa anefa ireo tompon’ny tany.
▢️Misy ampahany amin’io tany io ampiatn’ny Begodogo io moa an’ity polisy misotro rorono ity dia rehefa nikaraka ny azy izy dia nofaritany avokoa ireo manodinina azy ka lasa niteraka olana teo amin’ny sy ny tompon’ny tany izany.
▢️ Efa eo ampelan-tanany mpanao fanadihadiana ny raharaha saingy mbola tsy nisy ny didy nivoaka dia izao manao izay tiany atao izao izy ka sahirana ireo tantsaha izay manofa tany eo amin’ireo tany izay manodinina azy satria dia potehin’ity polisy misotro rorono ity ny fambolen’izay tsy mety misasaka aminy na dia efa nandrara azy aza ny lehiben’ny mpamboly ary efa niteny koa ireo tantsaha mpanofa fa hanapaka ny fanofany ireo tany saingy amin’ity taona ity dia efa misy ireo fambolena eo ka ity taona ity no ho vitainy dia tsy hamboly eo tsony izy ireo, ireo tompon’ny tany fa tsy mpanofa kosa dia efa nametraka fitoriana.
πŸ‘‰Etsy ankilany kosa tsy niandry izany ity polisy misotro rorono ity fa manimba ny fambolena ary maka tsy miera ireo vokatra ary mandrahona ireo tantsaha ka manao antso avo amin’ireo tompon’andraika eto Belo sur Tsiribihina sy ato Menabe ireo tantsaha ny mba hijerena ity olana ity satria matsiaro tratran’ny tsindry hazolena izy ireo ary very vola sy fanana ihany koa amin’ireo fambolena izay efa natao nefa dia izao simbaina sy robaina izao ary mihorohoro koa amin’ny fandrahonana izay azon’izy ireo, fianakaviana miisa 15 moa no voakasika amin’ity resaka ity ary efa nisy ny fitoriana izay natao efa 2 herin’andro izay saingy mbola tsy hita hatreto ny tohiny fa mbola manohy ny ataony ihany ilay Polisy misotro rorono, ireo tantsaha kosa dia tsy sahy manohitra azy nohon’ny tahotra amin’ny maha polisy azy teo aloha, ny lehiben’ny mpamboly moa efa tonga teny an-toerana nijery ireo fambolena teny sy ny fahasimbana misy.
▢️Maro moa ireo karazana fambolena voakasika amin’ity raharaha ity toin’ny vary, bele (vomanga), tsiasisa , lojy , hidim-bary (ketsa)
πŸ‘‰ matsiaro maty antoka ireo tantsaha tamin’ny fanadiovana ny tany sy ny hofan’ny tany , eo koa ny masomboly ary ny fanakaramana ireo mpitselika nefa ny vokotr’izy ireo izao robaina izao, nanazava moa ireo tantsaha mpanofa ny tany fa tsy miditra amin’ny resaka ady tany fa ny vokatra izay nataon’izy ireo no takiany dia afaka manajanona ny fanofana ny tany izy ireo mandra-pivoakan’ny didy avy amin’ny fitsarana mikasika ny ady tany izay misy eo amin’ny olona hanofany ny tany sy ity polisy misotro rorono ity.
Nangonin’i RAΒ  PA

Related Post

Fandaharan’asa RINDRA

Posted by - septembre 30, 2024 0
Nanao ezaka hatrany ny Vondrona eoropeanina (UE), amin’ny alalan’ny Tahiry Eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (EDF), amin’ny fanamafisana ny sehatry ny…

Association Soa Ambohimangakely

Posted by - dΓ©cembre 14, 2023 0
➑️ Toy ny isan-taona dia mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Commune Ambohimangakely sy ny Association Soa Ambohimangakely Indrindra amin’izao…