Antso avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahana nisambotra ilay tovolahy, namono nahafaty ramatoa iray tetsy Mahazoarivo eto Antsirabe Ambonivohitra.
Raha tsiahivina ny zava- nisy, namoy ny ainy tamin’ny 15 septambra 2024 ny ramatoa iray 61 taona. Nisy namono tao amin’ny trano fonenany Mahazoarivo Lot 1116 L 105.
Noahiahiana ny tovolahy niara- niasa taminy taloha, taorian’ny fanadihadiana. Raha ny fantatra dia nitsoaka izy sy ny Ray aman- dReniny, nisy olona nampandre ny polisy ka nosamborina teny Avaratsena ny reniny ary nampidirina am- ponja Vonjy maika tamin’ny 25 novambra 2024. Tsy natorony anefa ny toerana misy ity zanany ahiahiana ity.
Naharay antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisy tamin’ny 17 mey lasa teo. Milaza fa miasa amin’ny ย ยป Karaokรฉย ยป any Betafo ilay ahiahiana karohina.
Tra- tehaka tany an- toerana ร ry i Heritiana tovolahy namono tamin’ny fomba feno habibiana sy nanolana ilay Ramatoa, nosamborin’ny polisy avy hatrany. Niaiky ny heloka vitany izy taorian’ny famotorana azy, natolotra ny Fampanoavana tamin’ny 21 mey 2025.