Toamasina: Tranom-pivarotana miisa 72 ao Bazary kely no may kilan’ny afo ny alin’ny 20 Aprily 2025 tamin’ny 12 ora alina.

231 0

Toamasina: Tranom-pivarotana miisa 72 ao Bazary kely no may kilan’ny afo ny alin’ny 20 Aprily 2025 tamin’ny 12 ora alina.

🔹 Efa manao fanadihadiana mahakasika ny antony nahatonga ny firehetana ny Mpitandro ny Filaminana.

🔹Ny Ben’ny Tananan’ny Toamasina ALAIN Andriafanomezantsoa ,dia tonga tao antoerana ny alina ihany,nanome toromarika ny Mpamonjy voina ka nahafahana namehy ny afo. Hatramin’ny maraina teo,dia maro ireo Tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Commune Urbaine de Toamasina,nijery ny fomba ahafahana manarina haingana ny tsena may araka ny toromarika avy amin’ny Ben’ny Tanana.

🔹Goavana ny fahavoazana satria betsaka ny entam-barotra kikan’ny afo,ary miteraka fatiantoka goavana ho an’ny Tompon’ireo fivarotana may izany.

🔹Mankahery an’ireo rehetra niharam-boina.

Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 ; 𝐎𝐍𝐆 𝐒𝐀𝐇𝐈 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝟗𝟕% 𝐓𝐀𝐍𝐉𝐎𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝑵𝒂𝒏𝒂𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒕𝒓𝒊𝒌’𝒂𝒔𝒂 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂 𝒛𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒗𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑶𝑵𝑮 𝑺𝑨𝑯𝑰 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂 15 𝑵𝒐𝒗𝒆𝒎𝒃𝒓𝒆 2025 𝒌𝒂…