DISTRIKA MORAMANGA FANKALAZANA TAOMBAOVAO MALAGASY 2025

168 0

 30 MARTSA 2025 Isan ireo nanamarika ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy 2025 ny teto amin’ny Distrika Moramanga ka tetsy amin ny Tranoben’ny Serasera sy Kolotsaina MANGORO,kaominina AMBOHIBARY no ivon ny fankalazana.

Ny fikambanana FANASIN NY TANY no nitarika sy nandrindra ny hetsika nandritra ny fankalazana ka noezahina navoitra ny fameloma-maso sy famerenan-kasina ireo Fomba sy Kolotsaina Bezanozano mampiavaka ny eto Moramanga toy ny dihy Betatoato sy ny Betrabetra.

Niombompo sy nampiseho firaisankina teto ary saika tazana avokoa ireo Fikambanana maro samihafa manandratra ny maha malagasy ary tonga nanome voninahitra ny Hetsika ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ato amin ny distrika. Nandritra izany moa no nitsofana rano ireo zanaky ny distrika izay mitana andraikitra ambony eto amin ny firenena.

Nisy moa ny Vono Omby izay fanao amin ny fotoana toy izao natao ho nofonkena mitam-pihavanana sy ny Betrabetra mampiavaka ny Bezanozano.

Nangonin i Fidikely Crusoé

Related Post

Ady amin’ny famarinan’olombelona sy asa an-tery mifandraika amin’ny fanandevozana

Posted by - novembre 5, 2025 0
𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐑𝐀𝐎𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐑𝐀-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐍-𝐓𝐄𝐑𝐈𝐕𝐎𝐙𝐎𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐂𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐆𝐄 : 𝐋𝐄𝐇𝐈𝐋𝐀𝐇𝐘 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐒𝐀𝐌𝐁𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐒𝐈𝐌𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐘 𝐄𝐅𝐀 𝐍𝐈𝐃𝐎𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐀𝐌-𝐏𝐎𝐍𝐉𝐀. Ady…

FIER-MADA 2025

Posted by - août 12, 2025 0
FIER-MADA 2025 – Andiany faha-26 : Ambatovy manohana hatrany ny tanora mpandraharaha sy ny tantsaha eny ifotony Nanamarika indray ny…

CITÉ DES CULTURES

Posted by - octobre 5, 2024 0
Ivontoerana ara_kolontsaina iray nosokafan »ny BOA nisokatra nanomboka ny volana mey 2024 lasa teo eny Antaninarenina.Entina hampiroboroboana kolontsaina samihafa. Ahitana efitrano…