DISTRIKA MORAMANGA FANKALAZANA TAOMBAOVAO MALAGASY 2025

412 0

 30 MARTSA 2025 Isan ireo nanamarika ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy 2025 ny teto amin’ny Distrika Moramanga ka tetsy amin ny Tranoben’ny Serasera sy Kolotsaina MANGORO,kaominina AMBOHIBARY no ivon ny fankalazana.

Ny fikambanana FANASIN NY TANY no nitarika sy nandrindra ny hetsika nandritra ny fankalazana ka noezahina navoitra ny fameloma-maso sy famerenan-kasina ireo Fomba sy Kolotsaina Bezanozano mampiavaka ny eto Moramanga toy ny dihy Betatoato sy ny Betrabetra.

Niombompo sy nampiseho firaisankina teto ary saika tazana avokoa ireo Fikambanana maro samihafa manandratra ny maha malagasy ary tonga nanome voninahitra ny Hetsika ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ato amin ny distrika. Nandritra izany moa no nitsofana rano ireo zanaky ny distrika izay mitana andraikitra ambony eto amin ny firenena.

Nisy moa ny Vono Omby izay fanao amin ny fotoana toy izao natao ho nofonkena mitam-pihavanana sy ny Betrabetra mampiavaka ny Bezanozano.

Nangonin i Fidikely Crusoé

Related Post

𝗛𝗖𝗗𝗗𝗘𝗗 : 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗝𝗮𝗺𝗲𝘀 𝗥𝗮𝗺𝗮𝗿𝗼𝘀𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬

Posted by - février 2, 2024 0
 𝗛𝗖𝗗𝗗𝗘𝗗 : 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗝𝗮𝗺𝗲𝘀 𝗥𝗮𝗺𝗮𝗿𝗼𝘀𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬 Tontosa, ny alakamisy 1 febroary 2024, ny fifidianana ny solotenan’ny Ordre…