Fanamarihana ny fahatsiarovana ny 29 Martsa 1947 teto amin’ny Distrikan’Andilamena.

95 0
Ho fahamarihana ny fahatsiarovana ny faha 78 taona ny tolo- panafahana tao amin’ny Distrikan’Andilamena dia nisy ny fotoam-pivavahana iraisam- pinonana niarahana tamin’ny Fiangonana ao anatin’ny FFKM Andilamena tamin’ny 7 Ora maraina
Tao aorian’izay dia nitanjozotra teny amin’ny Kianjan’ny mahery fo misy ny Tsangambaton’ny Mahery fo lavo tamin’ny 1947 ny vahoaka sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ireo nasaina ka nisy ny fametrahana fehezam- boninkazo nataon’ny Lehiben’ny Distrik »Andilamena sy ireo Fikambanam-baiavy sy ny Ben’ny tanàna ary ireo zokiolona.
Taorian’izay no nisy fandraisam- pitenenana ka navoitra tamin’izany fa tompon’ny tantara ny Distrikan’Andilamena fa tsy notantaraina fotsiny satria nisy ireo nosamborina sy notifirina tao anatin’ny wagon tany Moramanga tamin’ny 5 Mey sy 8 Mey 1947 taorian’ny hetsika 29 Martsa1947 ka isan’ny lavo tamin’izany RADANY, RAKOTOMALALA, RAZAFIMANDIMBY Arthur, RASOANARIVO, sy ny maro hafa avy taty Andilamena.
Nampahatsiahivina moa izany mba hamelona indray ny afon’ny fitiavan- Tanindrazana ho an’ny taranaka ankehitriny izay » Fanilo miampita ho an’izy ireo  » araka ny lohahevitra. Tsy nisy nipika fa nilamina tsara ny fahatsiarovana.
✍️𝑵𝒂𝒏𝒈𝒐𝒏𝒐𝒏’𝒊 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗶𝘁𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮̀𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘃𝗲𝘇𝗶𝘃𝗲𝘇𝗲𝗻`𝗻𝘆 𝗱𝗮𝗵𝗼𝗹𝗼𝗯𝗲

Posted by - juillet 16, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗶𝘁𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮̀𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘃𝗲𝘇𝗶𝘃𝗲𝘇𝗲𝗻`𝗻𝘆 𝗱𝗮𝗵𝗼𝗹𝗼𝗯𝗲 (𝖬𝖺𝗇𝖺𝗈 𝖾𝗓𝖺𝗄𝖺 𝗇𝗒 𝗄𝖺𝗈𝗆𝗂𝗇𝗂𝗇𝖺 𝗆𝖺𝗇𝖺𝗆𝖻𝗈𝖺𝗍𝗋𝖺 𝗅𝖺𝗅𝖺𝗇𝖺) ✦ Tsy miraviravy tanana ny ben`ny…