Faritra Betsiboka: Tsy mandry alina sy atondro

331 0
Faritra Betsiboka: Tsy mandry alina sy atondro ny kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary aty an-toerana, fa midina ifotony manome paikady, hisorohana mialoha ny trangana tsy fandriam-pahalemana.
๐Ÿ‘‰ Tsy natao hanafana seza sy birao na ihany koa manome baiko fotsiny ny kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka fa midina ifotony mametraka paikady hisorohana mialoha ny trangana tsy fandriam-pahalemana miseho, any ambanivohitra sy an-drenivohitra, ato anatin’ny faritra Betsiboka.
๐Ÿ‘‰ Nanao totoafo ny fidinana eny an-kianja sy ny dinika nifanaovana tamin’ireo olom-boafidy, olom-boatendry, ary ny fokon’olona, izay nataon’ny Lietinร -kolonely Andrianatrehina Ando Dinah, kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka mba hamahana ny olana sy fisoroahana mialaho mety hisian’ny trangana Kidnapping, halatr’omby, fanakanana fiara taksiborosy, fanafihana mitam-piadiana. Nisy hatrany ny fanomezana torimarika hoan’ireo Zandary miantsehatra, eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra sy miasa any amin’ireo zana-tobim-paritra rehetra.
๐Ÿ‘‰ Anisan’ny mampiavaka ny fidinana ifotony nataon’ity tompon’andraikitra ny filaminana, eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena aty Betsiboka ity ny ambetin-dresaka manao hoe: tsy maintsy hampiarina amin’ireo olon-dratsy ny lalร na misy eto amin’ny tany sy ny firenena no fongorana hatramin’ny fakany tsy misy hatak’andro, ireo tsy maty manonta amin’izany, toy ny: mpiray tsikombakomba sy ny dahalo ambony latabara.
๐Ÿ‘‰ Vao tsy ela moa ny kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka no nijery ny vahaolana makasika ny trangana kidnapping any amin’ny tapan’ny atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanร na iny no midina eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ihany koa. Tsy nisy izay tsy resy lahatra ny olona tsirairay avy, nahitan’ny fandraisana andraikitra mateho-tia sy ho mendri-kaja, nataon’Atoa Lietinร -kolonely Andrianatrehina Ando Dinah nandritra ny fitetezam-pokontany sy kaominina, ary disitrika.
๐Ÿ‘‰ Tsy mijanona hatreo anefa ny hezaka hatao, hoy ity farany no sady nampahery sy nampitraka ny adidy iantsoroan’ireo Zandary eny an-kianja.
Nagonin’i Zandry be Tantely

Related Post

๐Œ๐€๐๐€๐†๐€๐“๐€๐Š๐€ ๐๐˜ ๐‡๐€๐Œ๐ˆ๐“๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐ŸŽ๐๐ˆ๐•๐„๐‘๐’๐ˆ๐“๐„ ๐‡๐Ž ๐€๐โ€™๐๐˜ ๐Œ๐„๐๐€๐๐„ ๐๐˜ ๐๐„๐โ€™๐๐˜ ๐“๐€๐๐€๐๐€๐โ€™๐๐˜ ๐๐„๐Œ๐€๐๐Ž๐๐†๐€

Posted by - fรฉvrier 16, 2025 0
๐™‰๐’š ๐’—๐™ค๐’๐™–๐’๐™– ๐™–๐’‘๐™ง๐’Š๐™ก๐’š 2022 ๐™ฃ๐’ ๐’๐™ค๐’•๐™ค๐’Œ๐™–๐’๐™–๐’๐™– ๐™ฃ๐’š ๐’…๐™ค๐’“๐™ฉ๐’๐™ž๐’“ ๐’‰๐™ค ๐™–๐’โ€™๐’๐™ฎ ๐™ค๐’๐™ž๐’—๐™š๐’“๐™จ๐’Š๐™ฉ๐’† ๐’‰๐™ค ๐™–๐’โ€™๐’๐™ฎ ๐™›๐’‚๐™ง๐’Š๐™ฉ๐’“๐™– ๐™ˆ๐’†๐™ฃ๐’‚๐™—๐’† ๐’Š๐™ฏ๐’‚๐™ฎ ๐™ข๐’‚๐™ฏ๐’‚๐™ ๐’‚ ๐’Ž๐™ฅ๐’Š๐™–๐’๐™–๐’•๐™ง๐’‚ 300 ๐’‰๐™–๐’•๐™ง๐’‚๐™ข๐’Š๐™ฃโ€™๐™ž๐’›๐™–๐’…

SAKARAHA SALAMA

Posted by - octobre 3, 2024 0
Niainga avy eto Sakaraha ny sidina voalohany amin’ny Drone nampitondraina Fanafody fanefitra (Vaccin), hoan’ireo CSB II any amin’ireo Kominina ato…