Faritra Betsiboka: Tsy mandry alina sy atondro ny kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary aty an-toerana, fa midina ifotony manome paikady, hisorohana mialoha ny trangana tsy fandriam-pahalemana.
Tsy natao hanafana seza sy birao na ihany koa manome baiko fotsiny ny kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka fa midina ifotony mametraka paikady hisorohana mialoha ny trangana tsy fandriam-pahalemana miseho, any ambanivohitra sy an-drenivohitra, ato anatin’ny faritra Betsiboka.
Nanao totoafo ny fidinana eny an-kianja sy ny dinika nifanaovana tamin’ireo olom-boafidy, olom-boatendry, ary ny fokon’olona, izay nataon’ny LietinΓ -kolonely Andrianatrehina Ando Dinah, kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka mba hamahana ny olana sy fisoroahana mialaho mety hisian’ny trangana Kidnapping, halatr’omby, fanakanana fiara taksiborosy, fanafihana mitam-piadiana. Nisy hatrany ny fanomezana torimarika hoan’ireo Zandary miantsehatra, eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra sy miasa any amin’ireo zana-tobim-paritra rehetra.
Anisan’ny mampiavaka ny fidinana ifotony nataon’ity tompon’andraikitra ny filaminana, eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena aty Betsiboka ity ny ambetin-dresaka manao hoe: tsy maintsy hampiarina amin’ireo olon-dratsy ny lalΓ na misy eto amin’ny tany sy ny firenena no fongorana hatramin’ny fakany tsy misy hatak’andro, ireo tsy maty manonta amin’izany, toy ny: mpiray tsikombakomba sy ny dahalo ambony latabara.
Vao tsy ela moa ny kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka no nijery ny vahaolana makasika ny trangana kidnapping any amin’ny tapan’ny atsimon’ny disitrikan’i TsaratanΓ na iny no midina eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ihany koa. Tsy nisy izay tsy resy lahatra ny olona tsirairay avy, nahitan’ny fandraisana andraikitra mateho-tia sy ho mendri-kaja, nataon’Atoa LietinΓ -kolonely Andrianatrehina Ando Dinah nandritra ny fitetezam-pokontany sy kaominina, ary disitrika.
Tsy mijanona hatreo anefa ny hezaka hatao, hoy ity farany no sady nampahery sy nampitraka ny adidy iantsoroan’ireo Zandary eny an-kianja.
Manana ny Birao foibeny ao Madiotsifanana, Kaominina renivohitra Ambatondrazaka ny fikambanan’ireo Ben’ny Tanana sy Mpanolotsaina IRMAR ato amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka. Birao…
Fitoriana Filazantsara sy famoahana devoly Ary fanasitranana ho anβny marary niarahana taminβny Envanjelista DAG Heward Mills tao aminβny stade Manarapenitra…