Toamasina : Feno fankasitrahana ny fitondram-panjakàna ny mponina ao Morarano

366 0
Toamasina : Feno fankasitrahana ny fitondram-panjakàna ny mponina ao Morarano,manoloana ny fahavitan’ny lalana avy eo amin’ny 4 Chemins Morarano hatrany amin’ny lalan-tapaka Verrerie.
🔹Raha tsiahivina dia nandritran’ny taona maro no nisedra olana ny mponina manoloana ny faharatsian’io lalana io. Nanapa-kevitra ny fitondram-panjakàna,tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Asa Vaventy fa hatao laharam-pahamehana ny fanamboarana io lalana io,ka dia vita tsara izy ao.
🔹 Manoloana an’izany dia nankasitraka ny Minisitry ny Asa Vaventy Atoa Rafidison Richard Theodore ( Zamanjaza Zamanjaza ) sy Rtoa VPAN Toamasina iz’ireo androany, sady nisaotra ny Governoran’ny Faritra Atsinanana Mpisolo toerana sy ny Ben’ny Tananan’ny Toamasina.
🔹 Nahavita ny azy ny Fitondram-panjakàna ,fa anjaran’ny vahoaka kosa no mikolokolo ny fotodrafitr’asa,ka nanatanteraka asa tanamaro famafan-dalana ,ireo fikambanam-behivavy sy ny lehiben’ny fokotany ao amin’ny arrondissement Morarano androany.
🔹 Tonga nanotrona az’ireo ireo Tompon’andraikitra avy amin’ny Faritra Atsinanana sy ny Commune Urbaine de Toamasina.

Related Post

𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨

Posted by - décembre 4, 2023 0
𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨 Hoy ny 𝑫𝒓 𝑹𝑨𝑲𝑶𝑻𝑶𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅, Mpikaroka Raokandro Malagasy,…

Cette opportunité est faite pour vous.

Posted by - juillet 8, 2026 0
𝐎𝐏𝐏𝐎𝐑𝐓𝐔𝐍𝐈𝐓𝐄́ 𝐏𝐑𝐎𝐅𝐄𝐒𝐒𝐈𝐎𝐍𝐍𝐄𝐋𝐋𝐄 𝐀̀ 𝐌𝐀𝐔𝐑𝐈𝐂𝐄 𝐀𝐑𝐈𝐌 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫 𝐫𝐞𝐜𝐫𝐮𝐭𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐏𝐀̂𝐓𝐈𝐒𝐒𝐈𝐄𝐑𝐒 𝐭𝐚𝐥𝐞𝐧𝐭𝐮𝐞𝐮𝐱 𝐞𝐭 𝐩𝐚𝐬𝐬𝐢𝐨𝐧𝐧𝐞́𝐬 —- Vous maîtrisez l’art de la pâtisserie et…