Toamasina : Feno fankasitrahana ny fitondram-panjakàna ny mponina ao Morarano

145 0
Toamasina : Feno fankasitrahana ny fitondram-panjakàna ny mponina ao Morarano,manoloana ny fahavitan’ny lalana avy eo amin’ny 4 Chemins Morarano hatrany amin’ny lalan-tapaka Verrerie.
🔹Raha tsiahivina dia nandritran’ny taona maro no nisedra olana ny mponina manoloana ny faharatsian’io lalana io. Nanapa-kevitra ny fitondram-panjakàna,tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Asa Vaventy fa hatao laharam-pahamehana ny fanamboarana io lalana io,ka dia vita tsara izy ao.
🔹 Manoloana an’izany dia nankasitraka ny Minisitry ny Asa Vaventy Atoa Rafidison Richard Theodore ( Zamanjaza Zamanjaza ) sy Rtoa VPAN Toamasina iz’ireo androany, sady nisaotra ny Governoran’ny Faritra Atsinanana Mpisolo toerana sy ny Ben’ny Tananan’ny Toamasina.
🔹 Nahavita ny azy ny Fitondram-panjakàna ,fa anjaran’ny vahoaka kosa no mikolokolo ny fotodrafitr’asa,ka nanatanteraka asa tanamaro famafan-dalana ,ireo fikambanam-behivavy sy ny lehiben’ny fokotany ao amin’ny arrondissement Morarano androany.
🔹 Tonga nanotrona az’ireo ireo Tompon’andraikitra avy amin’ny Faritra Atsinanana sy ny Commune Urbaine de Toamasina.

Related Post

𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐡𝐚𝐬𝐨𝐚 | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤’𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝟑 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲

Posted by - janvier 8, 2024 0
𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐡𝐚𝐬𝐨𝐚 | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤’𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝟑 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲 Tao Ianantsana Avaratra,Fkt Soatsiovana kominina Manandroy, Distrika Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony.…