NITSIDIKA NY CENTRE ECO-TOURISTIQUE MENABE NY MINISITRY NY SERASERA SY KOLON-TSAIANA

209 0

Namaranan’ny minisitry ny serasera sy ny kolon-tsaina ny fitsidihany ny faritra Menabe ny fitsidihana ny centre eco-touristique Menabe ary nandritra izany no nilazany fa isany fitaratra ity centre ity satria raha misy maro toa ity dia mandroso ny farita sy Madagasikara ka nisaotra ny tompon’andraikitry ny centre izy ary nanamafy fa vononana hanampy ny centre amin’ny ezaka izay ataon’ity centre amin’ny resaka fampivoarana ny kolon-tsaiana sy ny asa tanana ary koa ny fanomezana lenta ny mampiaty sy ny miralenta ary ny fampiroborobohana ny fizahan-tany sy ny fandraharahana .

Amin’ny maha mpitondra tenin’ny governemanta azy dia hampita izao ezaka izao amin’ireo minisitra namany izy mba hanomezana lenta ny vita gasy ary mankahery hatrany ny tompony centra moa izy sady nilaza fa ny minisitera tantanany dia anampy amin’ny fampafantarana ireo vokatra izay vokarina ao .

Nampitolagaga an-dramatoa Mara Donna minisitry ny serasera sy kolon-tsaina moa no nahita ireo asa tanana sy vokatr’ireo tanora izay miasa ao amin’ny centre ity ary tamin’izany no nilazany fa tsy marina ny filazana fa vesatra ho an’ny fiaraha-monina ireo olona manana fahasembanana ka hisaorana an-driamatoa Danile Abdulla tamin’ny fampihofanana sy fanomezana asa azy ireo izay mampandray anjara azy ireo amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Nangonon’i RA PA

Related Post

Posted by - février 8, 2025 0
Fitokanana ny Biraon’ny Fikambanana AVOMITIA ao amin’ny Distrikan’i Lalangina – Faritra Matsiatra Ambony Notanterahina tamin’ny fomba malagasy tanteraka androany 7…

Analanjirofo Vakoka sy Kolontsaina | Ministera Miasa amin’ny Vakoka

Posted by - juin 1, 2025 0
𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐍𝐉𝐈𝐑𝐎𝐅𝐎 | 𝐌𝐚𝐧𝐨𝐡𝐲 𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐦𝐩𝐢𝐝𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐯𝐚𝐤𝐨𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐍𝐨𝐬𝐲 𝐒𝐚𝐢𝐧𝐭𝐞 𝐌𝐚𝐫𝐢𝐞 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲…