NITSIDIKA NY CENTRE ECO-TOURISTIQUE MENABE NY MINISITRY NY SERASERA SY KOLON-TSAIANA

327 0

Namaranan’ny minisitry ny serasera sy ny kolon-tsaina ny fitsidihany ny faritra Menabe ny fitsidihana ny centre eco-touristique Menabe ary nandritra izany no nilazany fa isany fitaratra ity centre ity satria raha misy maro toa ity dia mandroso ny farita sy Madagasikara ka nisaotra ny tompon’andraikitry ny centre izy ary nanamafy fa vononana hanampy ny centre amin’ny ezaka izay ataon’ity centre amin’ny resaka fampivoarana ny kolon-tsaiana sy ny asa tanana ary koa ny fanomezana lenta ny mampiaty sy ny miralenta ary ny fampiroborobohana ny fizahan-tany sy ny fandraharahana .

Amin’ny maha mpitondra tenin’ny governemanta azy dia hampita izao ezaka izao amin’ireo minisitra namany izy mba hanomezana lenta ny vita gasy ary mankahery hatrany ny tompony centra moa izy sady nilaza fa ny minisitera tantanany dia anampy amin’ny fampafantarana ireo vokatra izay vokarina ao .

Nampitolagaga an-dramatoa Mara Donna minisitry ny serasera sy kolon-tsaina moa no nahita ireo asa tanana sy vokatr’ireo tanora izay miasa ao amin’ny centre ity ary tamin’izany no nilazany fa tsy marina ny filazana fa vesatra ho an’ny fiaraha-monina ireo olona manana fahasembanana ka hisaorana an-driamatoa Danile Abdulla tamin’ny fampihofanana sy fanomezana asa azy ireo izay mampandray anjara azy ireo amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Nangonon’i RA PA

Related Post

𝗭𝗔𝗡𝗗𝗔𝗥𝗠𝗜𝗔𝗥𝗜𝗔 𝗩𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢𝗡𝗧𝗢𝗕𝗜𝗠-𝗣𝗜𝗟𝗘𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗘𝗡𝗔𝗕𝗘

Posted by - juin 21, 2024 0
𝘕𝘰𝘵𝘰𝘵𝘰𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 21 𝘑𝘪𝘰𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘬𝘪𝘢𝘯𝘫𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘮𝘱𝘦𝘯𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘔𝘰𝘳𝘰𝘯𝘥𝘢𝘷𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘯𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘰𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯𝘺 𝘬𝘢𝘰𝘮𝘢𝘯𝘥𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘻𝘢𝘯𝘥𝘢𝘳𝘪𝘮𝘢𝘳𝘪𝘢 𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘺 𝘙𝘢𝘬𝘰𝘵𝘰𝘮𝘢𝘭𝘢𝘭𝘢 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘵𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢…