« π π’ππ¨π―π’ππ§-π£π¨ π¬π² ππ’π³ππ§-π€ππππ§π π‘π¨ ππ§’π§π² π―ππ‘π’π―ππ―π² π¬π² π³πππ¨π―π¨ π―ππ―π² π«ππ‘πππ«πΒ Β»
Tsy nahasakana ny rehetra tsy hankalaza tao anatin’ny hafaliana sy korana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ny herikerika narahina orana madinidinika tao amin’ny renivohitry ny Kaominina Ambanivohitra Ambatosoratra, Distrikan’Ambatondrazaka androany Sabotsy 08 Martsa 2025.
Fikambanam-bahivavy avy amin’ireo Fokontany mandrafitra ny Kaominina no nandray anjara tamin’ireo hetsika maro samy hafa, ary tonga nanontrona sy nanome voninahitra izany ny ben’ny Tanana sy ireo olo-manakaja maro sivily sy miaramila raha ramatoa vadin’ny Ben’ny tanana kosa no nitarika ny lanonana fankalazana.