๐€๐‹๐„๐‘๐“๐„ ๐€๐Œ๐๐€๐“๐Ž๐Œ๐€๐๐‰๐€๐Š๐€

71 0
Zandary maro bรฉ arahina olona iray mitonona no mpikambana ao amin’ny kabinetran’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona no tonga ao amin’ny fokontany Andrianavoavo, Kaomina Ambanivohitra Ambatomanjaka hatramin’ny omaly.
Tonga hanao piquets ny tany mirefy eo amin’ny 100ha eo ho eo,ao Andrianavoavo izy ireo ary milaza hanatanteraka didim-pitsarana. Mandeha ny feo fa hisy fandrodanana ireo trano rahampitso 28 febroary 2025.
Raha zohiana ny tantara dia vinanto, nanara-bady teo andrianavoavo ity mitondra zandary sy vadi-tany ity.
Efa resy ary voaraoka teo izy tamin’ny taona 1981 ary nanao ady ankafetsena tany ambadika tany. Resy sy tsy nahazo rariny ireto vahoaka monina ao tamin’ny fitsarana nifanesy ary nisy aza fitsarana tsy natrehina akory.
Nampiakatra PIL ireto vahoaka ka ny volana desambra 2023 no tafapetraka izany raha ny volana avrily 2021 kosa no nivoaka ny didy tao amin’ny Cours de Cassation.
Ny taratasy entin’izy ireo dia mazava fa fanamarinana tsy nisiana PIL tamin’ny febroary 2022. Raha desambra 2023 kosa no nanao izany ireto toriana.
Febroary 2023 kosa no nivoaka ity taratasy fampiharana ity ka amin’izao faran’ny volana febroary 2025 izao vao tonga izy ireo.
Manao antso avo araka izany ireto mponina ao Andrianavoavo satria tany 100ha, nipetrahana hatramin’ny fahazazana, misy fandrazana ary nitoeran’ny taranaka nifandimby no tadiavin’ny vinanto mpila ravinahitra ho alaina nohon’ny tsy fahalalan’ireo mponina ambany ravinkazo.
Raha ny marina dia mbola an-dalana izany PIL izany ary mbola tsy nandrenesana tohiny.
Nijoro niaro ny vahoaka moa ny ben’ny tanana ao Ambatomanjaka saingy nahazo fandrahonana am-bava tamin’ireto olona tonga.
Miantso ny ministry ny fitsarana, ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga ary indrindra ny filoham-pirenena mba hijery akaiky ity raharaha ity.
Lysan

Related Post