FIANARANTSOA Akon’ny fanamarihana ny datin’ny 11 Febroary

156 0
FIANARANTSOA : Akon’ny fanamarihana ny datin’ny 11 Febroary
 Fahatsiarovana an’i Kolonely Richard Ratsimandrava sy Ireo Mpitandro Filaminana lavo am-perin’asa.
11 Febroary 1975 – 11 Febroary 2025: 50 Taona .
Ny 11 Febroary dia daty manan-danja ho an’ny tantaran’i Madagasikara. Andro natokana hanomezam-boninahitra an’i Kolonely Richard Ratsimandrava, Filoham-panjakana Malagasy, sy ireo mpitandro filaminana rehetra nanao fanompoana feno ho an’ny firenena.
Tao amin’ny Tobin’ny Zandarimariam-pirenena Tsaramandroso no natao ny lanonam-pahatsiarovana ny 50 taona nahafatesan’i Kolonely Richard Ratsimandrava. Nanotrona izany ny miaramila, zandary, polisy, ary ireo tompon’andraikim-panjakana avy ao amin’ny Faritra,ny Prefektiora, ary ny Kaominina Ambonivohitry Fianarantsoa, sy ireo FDS notarihin’Atoa Jeneraly ELIASY ANDRIANANDRASANOMENJANAHARY Jules Ducret sy Kolonely ANDRIANANTENAINA Honoré.
Tsiahy ny tantara: 11 Febroary 1975
Tamin’ny 11 Febroary 1975, nifarana tamin’ny fomba nahatsiravina ny fitondran’i Kolonely Richard Ratsimandrava, dimy andro monja taorian’ny naha-Filoham-panjakana azy. Voatifitra teny Ambohijatovo-Anjohy, Antananarivo, izy nohon’ny fahafoizany tena ho an’ny firenena. Tsaroana mandrakizay ilay teniny feno fahasahiana sy fitiavan-tanindrazana:
“Tsy miamboho adidy aho, Mon Général.” Mpanolo-tanana amin’ny fiarovana ny firenena.
Ho fahatsiarovana ny sorona nataon’i Kolonely Ratsimandrava sy ireo mpitandro filaminana maty am-perin’asa, dia notsariana manokana nandritra ny lanonana ireo zandary efatra (4)mirahalahy lavo nandritra ny taona 2024 teo , teto amin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Fianarantsoa.
Ny mpitandro filaminana dia tsy miamboho adidy, mahafoy ny ainy ho an’ny tanindrazana, ary mitoetra ho andry fiarovana ny firenena sy ny vahoaka Malagasy.
Goverinoran’ny Faritra Matsiatra Ambony.

Related Post

𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - février 20, 2024 0
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 – 𝐍𝐢𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞𝐥𝐚𝐛𝐞𝐥𝐚𝐫𝐚𝐧~𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐞𝐭𝐢-𝐦𝐢𝐟𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐢𝐭𝐲  …