MORONDAVA, MPAMILY TAXI-BROUSSE IRAY MATY VOAHITSAKY NY NAMANY

325 0
✅Nitrangana lozam_pifamoivoizana teo bazar be Morondava androany tokony tamin’ny efatr’ora folak’andro ka mpamilin’ny taxi_brousse iray mampitohy an’ny Morondava sy Ankilizato no voahitsaky ny TAXI-BROUSSE namany ka maty teo no eo.
✅Raha ny zava-nisy dia niady izay handeha aloha izy ireo ka nosakanany ity namany tsy handeha fa miandry azy ka lasa niteraka ady izany ary nosotominy ity namany izay efa eo amin’ny familiana ary efa mivoaka ny tobim_piantsonana ka nanditra izany izy no lavo ka voahitsaky ny kodiarana hafara ary namoy ny ainy.
Tonga teny an-toerna moa ny polisy sy zandary ary efa noraisin’ny polisy ilay mpamily nitondra ny fiara navoahitsaka ity namany ity.
💥Fanaon’ireo mpamily ny Taxi brousse mampitohy an’ny Morondava sy Ankilizato moa no miara misotrosotro rehefa tonga eto Morondava satria miala maraina any Ankilizato izy ireo ary ny moron’andro vao miala Morondava ka teo ampisotroina no efa tsy nifaranaraka izy roalahy ireto koa hanainarana ny tompon’andraika satria dia efa lasa fazaran’ireo mpamily no misotro alohan’ny handeha satria dia maro moa ireo trano fisotroina eo amin’ny tobim-piantsonana .
👉Efa noentin’ny fianakaviana any Ankilizato moa ny vataman_gatsikan’ny Tompokolahy ary ny fiara foentiny ihany no nitondrana azy.
✍️RA PA

Related Post

𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐒𝐘 𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐓𝐄𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐓𝐄𝐓𝐎 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀

Posted by - mars 29, 2024 0
𝗢𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗲𝗻𝗶𝗻𝗮(06) 𝗻𝗼 𝘃𝗼𝗮𝘀𝗮𝗺𝗯𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘇𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝗶𝗺𝗮𝗿𝗶𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮, 𝘃𝗼𝗮𝗿𝗼𝗵𝗶𝗿𝗼𝗵𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗳𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝘁𝗮𝗺-𝗯𝗮𝘀𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗧𝗼𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮 𝗧𝘀𝗶𝗮𝗻𝗮𝗹𝗼𝗸𝗲 𝗸𝗮 𝗻𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝘁𝗲𝘀𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆.   𝗧𝗮𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻’𝗻𝘆…