π•πŽπ€π’π€πŒππŽπ“π‘π€ 𝐈 𝐅𝐄𝐑𝐍𝐀𝐍𝐃 π‚π„π‹π‹πŽ

39 0
Ny volana Oktobra taona 2023 no efa namohan’ny fitsarana Didy fampisamborana Andriamatoa FERNAND Cello ny saingy tsy hita sy niafina tanteraka, nandritr’izay fotoana lava be izay anefa, dia mbola namoaka ranty teo amin’ireo takelaka marobe notantanany ihany ny lehilahy.
Maro ireo karazana olona efa nitaraina nohon’ny hafitsok’ity Mpanao Facebook, mitonona ho Mpanao Gazety ity, ary nisy mihintsy aza ireo nahavatra nananontany teo anivon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety nanamarina raha Mpanao Gazety marina ny anao lahy na tsia, tokana ny fanamarinana hatao raha te hanamarina Mpanao Gazety iray dia ny fananana ilay Karatra maha matianina iraisan’ireo Mpanao Gazety eto Madagasikara, ary voasoratra ara-dalana ao anaty rakin-kevitra hita ao anaty tranon-kala ofisial’ny Holafitra.
Marihina fa efa nisy fotoana izy « nifonaΒ Β» ary niaky fa tena nanao ny tsy mety saingy tsy nipoitra nanantona ny mpitandro ny filaminana no mbola nanohy ny asa ratsiny milaza vaovao tsy marina sy nanely tsaho hatrany ka izao voasambotra izao. Raha ny resaka fanaratsiana an’ireo Mpanao Gazety matianina miasa eo anivon’ny GAZETIKO no nataony farany.
Voaporofo anefa fa tsy tao velively ny anaran’Andriamatoa FERNAND Cello, izay sokajian’ireo Mpikambana fa fisolokiana andraikitra.
Omaly, 29 Janoary 2025, dia toa hoe voasambotra izy, araka ny tsilian-tsofina re etsy sy eroa, kanefa hatramin’ny ora hanoratanay dia mbola tsy nisy fanambarana tamim-pomba ofisialy.
Andrsana ny tohiny…

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – π’πžπŸπ¨ 𝐟𝐨𝐀𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐚π₯𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐭𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐀𝐚-𝐩𝐒𝐟𝐒𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐀𝐚

Posted by - juin 1, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – π’πžπŸπ¨ 𝐟𝐨𝐀𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐚π₯𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐭𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐀𝐚-𝐩𝐒𝐟𝐒𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐀𝐚 ✦Maty teny andalana raha hanatitra voka-pifidianana hihazo aty Mandritsara ny sefo…