Minisitry ny Rano Andriamatoa ANDRIANAMELASOA Lalaina | nidina ifotony teto amin’ny Renivohitry ny Faritra Bongolava

313 0

Tonga nidina ifotony teto amin’ny Renivohitry ny Faritra Bongolava, Andriamatoa ANDRIANAMELASOA Lalaina, Minisitry ny Rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana…

Amin’ny maha Minisitra mpiahy ny Faritra Bongolava ny Tenany, dia miady sisika eo anatrehan’ny Governemanta ny tenany ho amin’ny fampandrosoana ny Faritra Bongolava. Nihaona nivantana tamin’ireo Ben’ny tanàna vaovao, niaraka tamin’ireo Talem-paritra sy ireo tomponandraiki-panjakana eto Bongolava Andriamatoa Minisitra, ka nametraka paik’ady isan’ny Kaominina tsirairay avy, hanatanterahana ny fitondra-panjakana ety ifotony.

Fotoam-piasana ny taona 2025, ka efa mipetraka ny drafitr’asa ho fanatsarana ireo lalana Kaominaly mampitohy ny Kaominina tsirairay avy Amin’ny alalan’ireo Solombavambahoaka voafidy teto Tsiroanomandidy, ny Prefen’i Tsiroanomandidy, ny Governora mpisolo toerana, ireo Manamboninahitra sivily sy miaramila ary ireo Talem-paritra rehetra eto Bongolava.

FIRAISANKINA ANTOKY NY FAMPANDROSOANA.

Nangonin’i Eric RABARISON.

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗶𝘁𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮̀𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘃𝗲𝘇𝗶𝘃𝗲𝘇𝗲𝗻`𝗻𝘆 𝗱𝗮𝗵𝗼𝗹𝗼𝗯𝗲

Posted by - juillet 16, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗶𝘁𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮̀𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘃𝗲𝘇𝗶𝘃𝗲𝘇𝗲𝗻`𝗻𝘆 𝗱𝗮𝗵𝗼𝗹𝗼𝗯𝗲 (𝖬𝖺𝗇𝖺𝗈 𝖾𝗓𝖺𝗄𝖺 𝗇𝗒 𝗄𝖺𝗈𝗆𝗂𝗇𝗂𝗇𝖺 𝗆𝖺𝗇𝖺𝗆𝖻𝗈𝖺𝗍𝗋𝖺 𝗅𝖺𝗅𝖺𝗇𝖺) ✦ Tsy miraviravy tanana ny ben`ny…

𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - juin 1, 2025 0
𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗿𝗼𝗮 𝗻𝗼 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗺-𝗽𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘁𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗼𝗿𝗼𝗻𝗱𝗮𝘃𝗮 Notanterahina tao amin’ny kaominina ambaniohitry Befasy ny sabotsy faha 31 Mai…