ANTSIRANANA: MIVERINA TSIKELIKELY NY RANO TAORIAN’NY FAHATAPAHAN’NY RANO NANDRITRA NY TELO ANDRO .

149 0
Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny Talem-paritry ny Rano sy Fanadiovana ary Fidiovana ato amin’ny Faritra DIANA, TOMBO Gyslain io maraina io.
Noho ny fahasimban’ny « Tuyau  » tao amin’ny bassin Besokatra , Joffre- ville, loharano mpamatsy rano an’ Antsiranana ka simba nandritra ny fandalovan’ny rivo- doza DIKELEDI no nahatonga ny Rano tapaka teto antampontananan’ Antsiranana hoy ny fanazavany ity farany .
Nisaotra ny Orinasa COLAS tamin’ny fifanomezan- tanana tamin’ny fanamboarana haingana ny simba satria tsy manana investissement na budget fanarenana ny simba ny Orinasa JIRAMA ka izany no mahatonga ny fahasimbana miverimberina isan- taona araka ny fanazavana.
Hisy ihany koa ny tetikasa izay hotanterahana mba hisoroana n’y tsy fampian’ny rano aty an- toerana , izay vatsian’ny Ministera vola , ka ny forage 6 no ho kasaina atao eto Antampontanan’Antsiranana : 1 ao amin’ny enceinté Université Antsiranana.
5 : ho an’ny fokontany Mangarivotra .
Marihina fa efa miverina tsikelikely ny rano Nanomboka androany ary hiverina tanteraka izany rahampitso 16 Janoary 2025 .
Tsara ihany koa no manamarika fa miverimberina ihany koa ny fahatapahan- jiro aty Antsiranana.
✍️ Sela Fanambarana.

Related Post

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗠𝗕𝗔𝗡’𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗦𝗔 𝗩𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬

Posted by - août 31, 2024 0
𝗛𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 mifanaraka amin’ny voarakitra ao amin’ny Drafitra…