JIRO MORA ETO AMIN’NY FKT TSIADANA

69 0

Nanomboka omaly faha 6 Janoary taona 2025 dia efa manomboka manaparitaka ireo Jiro Mora manerana ny Fokontany Tsiadana ireo tompon’andraikitra amin’izany araka nambaran’ny Filohan’ny Fokontany Tsiadana, Tokan-trano miisa 500 eo ho eo no efa nahazo ity Jiro Mora ity, ary tsy hanavahana saranga fa mahazo avokoa ireo nangataka ka nahafeno ny mason-tsivana hahazoana manjifa izany.

Natao indrindra ho fanampiana ny mpiara-belona ity Jiro mora ity, ary tokony samy hanana ny tsirairay arak any fanazavana nentin’ni Ramatoa RAZAFIMBOLA Sahondra Liliane, isan’ireo Tompon’andraikitra misahana ny Jiro Mora eto Tsiadana. Fantatra fa misanda 30 000 Ar ny sarany hahazoana manjifa ity Jiro mora ity, ary maimaim-poana ny hametahana azy any an-tokantrano any.

Sitrany mba hanala ny fahasahirana mianjady amin’ny vahoaka tsy madady harona ny fisian’ity Jiro Mora ity, hoy RAMANANDRAIBE mponin’i Tsiadana, fa dia mankasitra ireo nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka an’ity tetik’asa mipaka amin’ny vahoaka ity.

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 – 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗟𝗔𝗛𝗬 40 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔

Posted by - février 5, 2024 0
𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 – 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗟𝗔𝗛𝗬 40 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 (𝐍𝐚𝐨𝐥𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐝𝐲 𝐧𝐨𝐫𝐚𝐡𝐨𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐭𝐲…) 📌 Rangahy iray 40 taona nanolana…

𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀 – 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐎𝐇𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀.

Posted by - avril 11, 2025 0
𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀 – 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐎𝐇𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀. Ny lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian no mitarika ny delegasionina aty Toliara.…