MANDRITSARA – NANDAMOKA NY ASA RATSY SAIKA HATAON`NY JIOLAHY MPANGALATRA OMBY

476 0
Dahalo roa lahy saika hanatanteraka halatr`omby tao Ambinanintelo Ambatomainty kaominina Marotandrano ny 29 desambra teo. Efa voasambotra mialoha noho ny asa ratsy momba halatr`omby ny iray ka nahazoana loharanom-baovao tamin`ny alalan`ny finday ampiasain`izy rehefa nandefa sms tamin`ny namany ity ilay dahalo hafa mbola miriorio sady mametraka kajy amin`ny fangalaran`omby.
Nametrahan`ny zandary ao amin`ny Brigade Marotandrano velampandrika jiolahy io ka tra-tehaka. Nampanaovina fihaonana taminy ilay dahalo voasambotra ny 31 desambra, niara-dalana taminy nandritra izany ny mpitandro filaminana.
Tampoka tamin`ilay dahalo hafa ny nahatratrarana azy ka avy hatrany nirifatra nilefa izy. Nanao tifi-danitra ny mpitandro filaminana, tsy nijanona izy ka avy hatrany nitifitra azy ireto farany.
Hakatra fampanoavana amin`ny herinandro ity ilay jiolahy sisa tsy maty, raha ny faazavana avy amin`ny lehiben`ny brigade ao Marotandrano tamin`ny mpanao gazetinay.
Velombolo ny asa tsara ataon`ny zandary ireto ny vahoaka ao anatin`ny kaominina Marotandrano. Tsy miraviravy tanana na dia tao anatin`ny fitrehana ny fetin`ny farany taona ny mpitandro filaminana aty aminay, hoy zanaka kaominina ity.
Nangonin`i Claudio

Related Post

𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 ; 𝐎𝐍𝐆 𝐒𝐀𝐇𝐈 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝟗𝟕% 𝐓𝐀𝐍𝐉𝐎𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝑵𝒂𝒏𝒂𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒕𝒓𝒊𝒌’𝒂𝒔𝒂 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂 𝒛𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒗𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑶𝑵𝑮 𝑺𝑨𝑯𝑰 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂 15 𝑵𝒐𝒗𝒆𝒎𝒃𝒓𝒆 2025 𝒌𝒂…